+ -

عن أبي هريرة قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم:
«حَقٌّ عَلَى كُلِّ مُسْلِمٍ أَنْ يَغْتَسِلَ فِي كُلِّ سَبْعَةِ أَيَّامٍ يَوْمًا، يَغْسِلُ فِيهِ رَأْسَهُ وَجَسَدَهُ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 897]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'Abo Horaira (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Manan-jo handro indray mandeha isaky ny fito andro ny mpino silamo tsirairay, izay hanasany ny lohany sy ny vatany mandritra izany”.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 897]

Ny fanazavana

Nanambara ny irak'Allah (S.A.W) : Fa zo mazava ho an'ny mpino silamo olon-dehibe rehetra ny misasa indray andro isaky ny fito andro ao anatin'ny herinandro iray, ary amin'izany andro izany no anasany ny lohany sy ny vatany, mitady ny fahadiovana. Ny lohalaharana amin'ireo andro ireo dia ny zoma, araka ny fantatra amin'ny fitantarana sasany, ary ny fandroana amin'ny andro zoma alohan'ny soalat dia tena tsara sy azo antoka tokoa, na dia nandro ny alakamisy aza, ohatra. Manala ny didy amin'ny tsy maintsy handroana amin'ny andro zoma ny tenin'i Aisha (R.A) : "Ny olona dia samy nanana ny asa fivelomany avokoa, ary rehefa nandeha hanao ny vavaka zoma izy ireo dia tonga tamin'ny endriny avy nanao ny asany, ka nolazaina tamin'izy ireo hoe : Raha mba nandro ianareo. ” Notantarain'i Bokhari, ary any amin'ny fitantarany hafa manao hoe : "Misy fofona izy ireo", midika hoe fofona hatsembohana sy ny toy izany, na izany anefa dia nolazaina azy ireo hoe : "Raha mba nandro ianareo", ka ny hafa ankoatra azy ireo no mialoha laharana amin'ny tsy teréna handro.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Indoneziana Aigoria Bengaly Torkia Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina الموري Italianina Oromianina Kanadianina الولوف Azerianina Okranianina الجورجية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny finoana silamo dia liana sy miahy amin'ny fahadiovana.
  2. Ny fandrona hanao soalat amin'ny andro zoma dia tsara azo antoka.
  3. Lazaina manokana ny loha, na dia ny filazana ny vatana mahafeno izany; noho ny fanomezana lanja azy.
  4. Voadidy ho an'izay misy fofona ka mety hanahirana olona ny mandro.
  5. Ny andro voamarina ho an'ny fanadiovana dia ny zoma; Noho ny fahalebiazany