+ -

عَنْ ‌أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«إِذَا وَجَدَ أَحَدُكُمْ فِي بَطْنِهِ شَيْئًا، فَأَشْكَلَ عَلَيْهِ أَخَرَجَ مِنْهُ شَيْءٌ أَمْ لَا، فَلَا يَخْرُجَنَّ مِنَ الْمَسْجِدِ حَتَّى يَسْمَعَ صَوْتًا، أَوْ يَجِدَ رِيحًا».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 362]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horairah (R.A), niteny ny Mpaminany (saw) manao hoe :
“Raha misy aminareo maheno zavatra ao an-kibony, ka misalasala izy raha nisy zavatra nivoaka avy ao na tsia, dia tsy tokony hiala ao amin’ny moske izy raha tsy mandre feo na mamerovero fofona.”

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 362]

Ny fanazavana

Nohazavain'ny Mpaminany (S.A.W) fa raha misy zavatra mampisalasala ao an-kibon'ny olona mivavaka, ka very hevitra izy, misy zavatra mivoaka avy ao na tsia? Noho izany dia tsy tokony hanajanona ny vavaka ataony izy na manapaka izany mba hamerina ny fidiovany, mandra-pahazoany antoka ny fisian’ny zava-nitranga izay manafoana ny fidiovany amin’ny alàlan'ny fandrenesana ny feon’ny rivotra, na ny fandrenesana ny fofona; Satria izay azo antoka dia tsy foanan'ny fisalasalana, ary azo antoka ny fahadiovana, ary ny fivoahan'ny zavatra dia mampisalasala.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Indoneziana Aigoria Bengaly Torkia Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina الموري Italianina Oromianina Kanadianina الولوف Azerianina Okranianina الجورجية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ity hadith ity dia iray amin'ireo fototry ny finoana silamo sy fitsipiky ny Fikh, dia ny hoe : Ny fahatokisana dia tsy esorina amin'ny fisalasalana, ary ny fototra dia ny hoe: izay efa teo dia mitoetra ho toy ny teo ihany, mandra-pahazoana antoka ny hafa.
  2. Ny fisalasalana dia tsy misy fiantraikany amin'ny fahadiovana, ary ny olona eo am-panaovana soalat dia mijanona amin'ny fahadiovany hatrany raha tsy hoe azony antoka ny fivoahan'ny loto aminy.