Ny sokajy:
+ -

عَنْ أَبِي سَعِيدٍ سَعْدِ بْنِ مَالِكِ بْنِ سِنَانٍ الخُدْرِيّ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ أَنَّ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«لَا ضَرَرَ وَلَا ضِرَارَ».

[حسن] - [رواه ابن ماجه، والدارقطني، وغيرهما مسندًا] - [الأربعون النووية: 32]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abo Sa'iidi, San'd ibno Maaliki ibno Sinaan Al-khodrii (R.A), fa ny Irakan'i Tompo Allah (S.A.W) dia nilaza hoe :
Aza manao ratsy ary aza mamaly ny ratsy.

[Tsara] - [رواه ابن ماجه والدارقطني وغيرهما مسندًا] - [الأربعون النووية - 32]

Ny fanazavana

Manazava i Mpaminany (S.W.A) fa tena ilaina tokoa ny misoroka ireo loza rehetra n'a avy amin'ny tena na avy amin'ny hafa, ary tsy azo atao ny manisy ratsy ny tenany na ny hafa. Tsy azo atao ny mamaly ny ratsy amin'ny ratsy hafa ihany koa. Satria ny ratsy dia tsy afaka amin'ny ratsy iray, raha tsy amin’ny alalan’ny valifaty izay tsy hatao amin'ny endrika mihoam-pefy na amin'ny fandikan-dalàna.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fandrarana ny fanomezana famaliana mihoatra ny mitovy aminy.
  2. Tompo Allah dia tsy nandidy ny mpanompony hanao izay mety hanimba azy ireo.
  3. Ny Hadith dia fitsipika momba ny fandrarana ny loza, na amin'ny teny, na amin'ny asa, na amin'ny famelana sy fandaozana.
  4. Iray amin'ireo fitsipiky ny lalàna Sharia ny hoe : “Esorina ny loza” sy izay rehetra nahitana vokadratsy satria ny lalàna Sharia amin'ny finoana Islam dia tsy mankasitraka ny fisian'ny loza sy ny zava-dratsy, fa mandà mandrakariva ny fampidiran-doza.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Bengaly Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Tailandia Alimanina Pasito Asamia Albany Amharika Gojratia Kargaria Nepalianina Litoanianina Aldoria serbianina Tajakianina Keniaroandia Hongariana Tsekianina الموري Oromianina Kanadianina الولوف Azerianina Ozbekianina Okranianina الجورجية المقدونية الخميرية الماراثية
Fanehona ny dikanteny
Ireo sokajy
Fanampiny