+ -

عن أبي سعيد الخدري رضي الله عنه أن رسول الله صلى الله عليه وسلم قال:
«لَا ضَرَرَ وَلَا ضِرَارَ، مَنْ ضَارَّ ضَرَّهُ اللَّهُ، وَمَنْ شَاقَّ شَقَّ اللَّهُ عَلَيْهِ».

[صحيح بشواهده] - [رواه الدارقطني] - [سنن الدارقطني: 3079]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Saiid Al-Khoudriou, niteny i Mpaminany (S.A.W) :
" Tsy misy fanaovan-dratsy sy hanaovana ratsy, izay mampahory ny hafa dia i Allah no hampahory azy ihany koa, ary izay manasarotra dia ankasarotin'Allah ihany koa ny zava-drehetra aminy."

[Marina miaraka amin'ny porofo hafa] - [Notantarain'i Al-Dàrakotni]

Ny fanazavana

Manazava i Mpaminany (S.W.A) fa tena ilaina tokoa ny misoroka ireo loza miseho amin'ny endrika maro samihafa na eo amin'ny fisehoany avy amin'ny tena na avy amin'ny hafa, ary tsy azo atao ny manisy ratsy ny tenany na ny hafa.
Tsy azo atao ny mamaly ny ratsy amin'ny ratsy hafa ihany koa. Satria ny ratsy dia tsy afaka amin'ny ratsy iray, raha tsy amin’ny alalan’ny valifaty izay tsy hatao amin'ny endrika mihoam-pefy na amin'ny fandikan-dalàna.
Avy eo i Mpaminany (S.W.A) nanazava ilay fandrahonana amin'ny loza ho an'ireo izay manisy ratsy ny Olona, ​​ary fahazoana fahasahiranana ho an'ireo izay manasarotra ho an'ny Olona.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fandrarana ny fanomezana famaliana mihoatra ny mitovy aminy.
  2. Tompo Allah dia tsy nandidy ny mpanompony hanao izay mety hanimba azy ireo.
  3. Fandrarana ny fanimbana sy ny fandratrana amin'ny teny, na amin'ny asa, na amin'ny fandaozana.
  4. Ny valisoa dia mitovy tantana amin'ny asa izay natao, ka izay manisy ratsy dia i Allah no hanisy ratsy azy ihany koa, ary izay mampahory ny hafa dia i Allah no hampahory azy.
  5. Iray amin'ireo fitsipiky ny lalàna Sharia ny hoe : “Esorina ny loza” sy izay rehetra nahitana vokadratsy satria ny lalàna Sharia amin'ny finoana Islam dia tsy mankasitraka ny fisian'ny loza sy ny zava-dratsy, fa mandà mandrakariva ny fampidiran-doza.
Fanampiny