“Avelaonareo aho amin'ny zavatra izay tsy natolotro anareo, fa tsy nisy afa-tsy ny fanontaniana sy ny tsy fitovian-kevitra tamin’ireo mpaminaniny no naharendrika ny vahoaka teo alohanareo
Tsy misy fanaovan-dratsy sy hanaovana ratsy, izay mampahory ny hafa dia i Allah no hampahory azy ihany koa, ary izay manasarotra dia ankasarotin'Allah ihany koa ny zava-drehetra aminy
Avelao izay mampiahiahy anao ka mankanesa any amin'izay tsy mampisalasala anao, satria ny fahamarinana dia fitoniana, ary ny lainga dia fisalasalana
Marina tokoa fa i Allah dia mitia ny fanatanterana ireo fanamaivanana izay nomeny, toy ny fitiavany fanatanterahana ireo didiny napetrany
“Raha misy aminareo maheno zavatra ao an-kibony, ka misalasala izy raha nisy zavatra nivoaka avy ao na tsia, dia tsy tokony hiala ao amin’ny moske izy raha tsy mandre feo na mamerovero fofona.”