+ -

عَنِ ابْنِ عَبَّاسٍ رضي الله عنهما قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«إِنَّ اللَّهَ يُحِبُّ أَنْ تُؤْتَى رُخَصُهُ، كَمَا يُحِبُّ أَنْ تُؤْتَى عَزَائِمُهُ».

[صحيح] - [رواه ابن حبان] - [صحيح ابن حبان: 354]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Ibn Abbas (R.D), Niteny i Mpaminany (S.W,A) manao hoe :
" Marina tokoa fa i Tompo Allah dia mitia ny fanatanterana ireo fanamaivanana izay nomeny, toy ny fitiavany fanatanterahana ireo didiny napetrany ".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Ibn Hibbàn]

Ny fanazavana

Mampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa hoe : Tompo Allah dia makatia ny fanatanterahana ireo fanamaivanana rehetra ara-pinoana izay nomeny, tahaka ny fanamaivanana amin'ireo lalàna sy fanompoana, ary ny fanamorana amin'ireo Mpanompo noho ny fialan-tsiny -tahaka ny fanenana ny isan'ny raka't amin'ny Soalat sy ny fanambarana izany rehefa am-pandehanana (Voyage).. Tahaka ny fitiavany ny fanatanterahana ireo fanapaha-keviny, amin'ireo didy rehetra izay tsy maintsy atao; satria ny fanamaivanana sy ny didy izay nibaikon'i Tompo Allah dia iray ihany.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Bosnia Sinhala India Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia Malayalamia Teljo saohilia Birmana Tailandia Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Azerianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny famindram-pon’i Tompo Allah amin’ireo Mpanompony, ary Izy, Voninahitra ho Azy, Izy dia mankatia ny fanatanterana ireo lalànany amin'ny fankahivanana.
  2. Ny fahafenoan'ity lalàna io, ary ny fanesorana ny fahasahiranana amin'ny Islamo.