+ -

عَنْ سُفْيان بنِ عَبْدِ اللهِ الثَّقَفِيّ رضي الله عنه قال:
قُلْتُ: يَا رَسُولَ اللهِ، قُلْ لِي فِي الْإِسْلَامِ قَوْلًا لَا أَسْأَلُ عَنْهُ أَحَدًا غَيْرَكَ، قَالَ: «قُلْ: آمَنْتُ بِاللهِ، ثُمَّ اسْتَقِمْ».

[صحيح] - [رواه مسلم وأحمد] - [مسند أحمد: 15416]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Sofian Bin Abdillahi At-Thaquafi (R.A) niteny izy:
Hoy aho : Ry irak'Allah ô, lazao zavatra momba ny finoana silamo aho, izay tsy hanontaniako olon-kafa intsony ankoatra anao. Dia hoy izy : “Lazao hoe : Mino an’Allah aho, avy eo mijoroa mahitsy ianao”.

[Mari-pototra] - [Notantarain'i Moslim sy Ahmad] - [Mosnad Ahmad - 15416]

Ny fanazavana

Nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) i Sofian Bin Abdollah, ilay mpiara-dia aminy, mba hampianatra azy teny iray izay mahafeno ny hevitry ny finoana silamo mba hifikirany amin'izany ka tsy hanontaniany olon-kafa intsony? Dia namaly i Mpaminany (S.A.W) hoe : Lazao hoe : Izaho nanokana an’I Allah, ary nino aho fa Izy no Tompoko, Zanahariko, Mpanao ahy, ary hivavahako ampahamarinana, izay tsy misy mpiara-miombona aminy. Avy eo dia voatarika hankatò an’I Allah izy amin’ny fanatanterahana ireo didin’I Allah sy ny fiatahana ireo zavaboararan’I Allah ary miaina amin'izany hatrany.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Indoneziana Aigoria Bengaly Torkia Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina الموري Oromianina Kanadianina الولوف Azerianina Okranianina الجورجية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fototry ny fivavahana dia ny finoana an’I Allah amin'ny maha-tompo Azy, ny maha-Zanahary Azy, amin'ireo Anarany sy ireo Toetoetrany.
  2. Ny maha-zava-dehibe ny fahitsiana aorian'ny finoana, ary ny fanohizana ny fanompoana sy ny fifikirana amin’izany hatrany hatrany.
  3. Ny finoana no fepetra mahavoaray ny asa.
  4. Ny finoana an’I Allah dia mandrakotra ireo zavatra tsy maintsy inoana amin’ny foto-pinoana sy ny fototra ao aminy, ary izay manaraka izany amin’ny asan’ny fo, sy ny fanekena sy milavolefina tanteraka amin’I Allah, any anatiny na ety ivelany.
  5. Ny fahitsiana dia ny fifikirana amin'ny làlan-kizorana, amin’ny alàlan'ny fanatanterahana ny adidy sy ny fialana amin’ny Izay voarara