Lisitr'ireo hadith

“Ho lazaiko anareo ve ny fahotana lehibe indrindra
عربي Anglisy Ordo
“Ny fahotana lehibe dia ny : Fampiombonana an'Allah amin'ny zavatra hafa, ny tsy fanajana Ray aman-dreny, ny vonon’olona, ny fianianana amin'ny tsy marina.”
عربي Anglisy Ordo
“ Ialao avokoa ireo fahotana fito izay maharendrika
عربي Anglisy Ordo
Izaho mahaleo tena tsy mila mpiara-miombina amiko, izay manao asa fanompoana ka nanambarany ahy amin'ny hafa dia havelako izy sy ny asany
عربي Anglisy Ordo
dia hampidirin’I Allah ao amin’ny Paradisa izy noho ny asany”
عربي Anglisy Ordo
Izay mihaona amin'i Allah nefa tsy nampitambatra Azy tamin'ny zavatra hafa dia hiditra ao am_paradisa, ary izay mifanena Aminy ka mampifandray fanompoana Azy amin'ny zavatra hafa dia hiditra amin'ny Afobe
عربي Anglisy Ordo
Izay manome antoka Ahy ny eo anelanelan’ny volombavany roa sy ny eo anelanela-peny roa dia manome antoka Azy ihany koa Aho fa dia ahiditra ny Paradisa Izy.”
عربي Anglisy Ordo
Ny Paradisa dia akaiky kokoa ny tsirairay Aminareo noho ny tadin-kirarony, ary ny Afobe dia tahaka izany ihany koa.
عربي Anglisy Ordo
“Saron’ny fahafinaretana ny helo, ary saron’ny fahasahiranana ny Paradisa.”
عربي Anglisy Ordo
Rehefa mampifanena sabatra ny mpino Islamo roa, dia samy any amin'ny Afobe avokoa na ny mpamono na ilay maty
عربي Anglisy Ordo
Tena marina fa efa mazava ny Azo atao ary mazava ihany koa ny Voarara
عربي Anglisy Ordo
Tena marina fa Allah dia tsy mijery ny tarehinareo sy ny harenanareo, saingy ny fonareo sy ny asanareo no jereny
عربي Anglisy Ordo
Asa dia miainga amin'ny finiavana, ary ny Olona tsirairay dia samy hahazo valisoan'ny fikasany
عربي Anglisy Ordo
“Eny tokoa, misy amin'ny olona mampiasa ny fananan’Allah tsy ara-dalàna, dia ho ny Afobe no sahaza azy ireo amin'ny andro farany
عربي Anglisy Ordo
Nanontaniana ilay Iraka mahafatokin’i Tompo Allah (S.A.W) ny amin’izay tena mampiditra ny Olona ho any amin’ny Paradisa, ka hoy Izy nanao hoe : “ Fatahorana an’i Tompo Allah sy fananana toetraTtsara
عربي Anglisy Ordo
Tsy namela fakam-panahy mampidi-doza ao aoriako mihaotra ny lehilahy amin'ny vehivavy aho
عربي Anglisy Ordo
“Tsy ho tena mpino ny iray aminareo raha tsy efa mankatia ahy mihoatra ny rainy sy ny zanany ary ny olombelona rehetra.”
عربي Anglisy Ordo
Ny fidiovana dia tafiditra ho anisany an-tsasakin'ny finoana; ary ny fitenenana hoe : "Alhamdolillah " (Dera sy vonahitra ary fisorana feno fankasitrahana ho an'i Allah) dia mameno ny mizana; vato fan-dajana ny fitenenana hoe : " Soubehànallwahi wal-hamdolillàhy " (Midera sy mankasitraka an'i Allah) dia mameno ny manelanelana ny lanitra sy ny tany izany
عربي Anglisy Ordo
lazao zavatra momba ny finoana silamo aho, izay tsy hanontaniako olon-kafa intsony ankoatra anao. Dia hoy izy : “Lazao hoe : Mino an’Allah aho, avy eo mijoroa mahitsy ianao”
عربي Anglisy Ordo
“ Rehefa namorona ny Paradisa sy ny Afobe i Allah, dia naniraka an’i anjely Jibril (A.S)
عربي Anglisy Ordo
Iharan'ny sazy tokoa izy roa, ary tsy voasazy akory izy roa noho ny fahotana lehibe, fa ny iray amin’izy roa dia tsy niaro ny tenany tamin’ny fipipizany, ary ny faharoa dia nandeha nitati-dresaka
عربي Anglisy Ordo
“Mamy sy maitso tokoa ny eto an-tany, ary Allah nametraka anareo ao aminy ka hijery izay ataonareo. Koa matahora ny eto an-tany ary matahora ny vehivavy
عربي Anglisy Ordo
Nisy lehilahy iray nanontany ny Mpaminany (S.A.W) momba ny ora farany manao hoe : Rahoviana ny ora farany? dia namaly izy : “Mba inona no nomaninao ho amin’izany?”
عربي Anglisy Ordo
“Ny ohatry ny namana tsara sy ny namana ratsy dia toy ny mpivarotra ranomanitra Misk sy mpanefy vy,
عربي Anglisy Ordo
Ny irak'Allah dia matetika no niteny hoe : "Ry mpamadika fo, ataovy mafy orina amin'ny finoanao ny foko
عربي Anglisy Ordo
Izay mangataka amin'I Allah ho maty maritiora amin'ny fahamarinana, dia homen'I Allah azy ny toeran'ny maritiora, na dia maty eo am-pandriany aza izy
عربي Anglisy Ordo
“Hitohy hatrany ny fitsapana ho an’ny mpino, na lahy na vavy, eo amin’ny fiainany sy ny zanany ary ny fananany, mandra-pihaonany amin’I Allah, ary tsy hisy ota intsony eo aminy”
عربي Anglisy Ordo
Mahagaga tokoa ny fiainan'ny mpino, satria ny fiainany rehetra dia tsara avokoa, ary tsy hita amin'ny olon-kafa izany afa-tsy amin'ny mpino ihany
عربي Anglisy Ordo
“Ho entina ny olona iray amin’ny andro farany ka hatsipy any amin’ny afo, ka hiborotsaka ny tsinainy, ka hihodina manodidina azy tahaka ny ampondra mihodidina vato fikosoham-bary
عربي Anglisy Ordo
Izany dia vato natsipy tao amin'ny afobe tamin'ny taona fitopolo lasa izay, ary mivarina any amin'ny afo mandra-pahatongany any ambany indrindra
عربي Anglisy Ordo
Tsy misy biby, na vorona, na androngo, na tsintsina, fa mandosira ireo boka ianareo tahaka ny fandosiranao ny liona
عربي Anglisy Ordo
“Voavela avokoa ny vahoakako afa-tsy izay nanao ampahibemaso
عربي Anglisy Ordo
“Eny tokoa fa Allah Ilay Tsitoha mamelatra ny tànany amin’ny alina mba hamela heloka ny mpanota amin’ny atoandro, ary mamelatra ny tànany amin’ny atoandro mba hamela heloka ny mpanota amin’ny alina, mandra-piposahan’ny masoandro avy any andrefana”
عربي Anglisy Ordo
“Meteza ianao eto an-tany ho toy ny mpivahiny na mpadalo fotsiny
عربي Anglisy Ordo
Ry zanak’i Adama, raha mbola mangataka amiko sy manantena Ahy ianao, dia hamela anao Aho ary tsy raharahako
عربي Anglisy Ordo
“Ny mpino matanjaka dia tsara sy tian’i Allah kokoa noho ny mpino malemy, ary ny rehetra dia tsara avokoa
عربي Anglisy Ordo
“Hiantso ny mpiantso manao hoe : Anareo dia ho salama ka tsy harary intsony, ary anareo ho velona ka tsy ho faty intsony, ary anareo ho tanora ka tsy ho antitra intsony, ary hosoavina ianareo ka tsy ho ory intsony
عربي Anglisy Ordo
“Tompo Allah dia hiteny amin’ny mponin’ny Paradisa hoe : Ry vahoakan'ny Paradisa ô!? Hoy izy ireo : Eny, mamaly ny antsonay ry Tomponay, dia hoy I Allah : "Moave afa-po ianareo? Hoy izy ireo : “Nahoana izahay no tsy afa-po rehefa nomenao izay tsy nomenao na iza na iza teo amin’ny zavaboarinao?
عربي Anglisy Ordo
“Rehefa miditra ao amin’ny Paradisa ny olona ao amin’ny Paradisa, dia hiteny Allah hoe : Mbola mila zavatra hafa homeko ve ianareo?
عربي Anglisy Ordo
“Karazany roa amin'ireo olon'ny Afobe tsy nihitako izy ireo, ny olona manana karavasy toy ny rambon’omby ikapohana olona, ​​ary ny vehivavy ratsy fitafy sy mitanjaka, mpanome fakampanahy, tsy mivoana amin'ny tsy fanarahan-dalàna, manojonojo ny lohony
عربي Anglisy Ordo
“Tsy ho tonga ny ora farany raha tsy mandalo ny fasan’olona ny lehilahy iray ka hiteny izy manao hoe : Enga anie mba izaho no teo amin’ny toerany”
عربي Anglisy Ordo
Aseho amin'ny endrika ondry lahy mana-tandroko ny fahafatseana
عربي Anglisy Ordo
Ny afonareo dia ampahany kely amin'ny fitopolo fizarana ny amin'ny Afobe
عربي Anglisy Ordo
Aza mianatra fahalalana Ianareo ka ho entina hifaninanana amin' ireo manam-pahalalana, na koa ho entina hanambanina ireo tsy mahalala
عربي Anglisy Ordo
Nanome ohatra i Allah amin'ny làlana mahitsy
عربي Anglisy Ordo
Koa raha Hitanareo izay manaraka andininy mitovitovy amin’izany, dia ireo no nolazain'i Tompo Allah, koa mitandrema amin’izy ireo ihany koa
عربي Anglisy Ordo
“Tsy misy olona manota, ka nitsangana nidio (nanao ouzò) ary nivavaka, avy eo dia mangataka famelan-keloka amin’Allah, afa-tsy mamela azy i Allah
عربي Anglisy Ordo
Tsaraina amin'ny fitaka sy fikomiana ary ny lainga nataon'izy ireo ary ny fanasazina izay nataonao tamin'izy ireo
عربي Anglisy Ordo
{Eny, tsy maintsy hanontaniana ianareo, amin'izany andro izany, mikasika ireo anjaram-pahasoavana.}
عربي Anglisy Ordo
“Izay manana toetra efatra ireto dia tena mpihatsaravelatsihy madiodio, ary izay manana ny iray amin’ireo dia manana toetra fihatsarambelatsihy mandra-pialany aminy : Raha miteny izy dia mandainga, raha manao fanekena izy dia mamitaka, raha mampanantena dia mivadika, ary raha mifanolana amin'ny olona dia mihoam-pefy
عربي Anglisy Ordo
Nanontaniko ny irak'Allah momba ny fahitana tampoka, ka nodidiany aho mba hanodina ny fijeriko
عربي Anglisy Ordo
“Nisy lehilahy naratra teo alohanao, ka natahotra izy, dia naka antsy ka notapahiny ny tànany, ary tsy nitsahatra ny rà mandra-pahafatiny. Niteny I Allah manao hoe : Nihazakazaka nanatona Ahy tamin’ny tenany ny mpanompoko, ka norarako ho azy ny Paradisa”
عربي Anglisy Ordo
“Ry Abo Said, Izay afa-po amin’Allah ho Tompony, sy ny silamo ho finoany, ary i Mohamad ho Mpaminaniny, dia azo antoka ho azy ny Paradisa.”
عربي Anglisy Ordo
Aza mifampialona ianareo, aza mifanongom-barotra amin'ny lavanty raha tsy hividy, aza mifankahala, aza mifanome lamosina, aza mivarotra handravana ny varotry ny hafa (raha efa nifanaraka ny mpividy sy ny mpivarotra amin'ny entana sy ny vidiny); fa meteza ianareo ho mpanompo an'I Allah mpirahalahy
عربي Anglisy Ordo
Jereo izay ambany aminareo, ary aza mijery izay ambony aminareo, fa tsara kokoa raha tsy manao tsinontsinona ny fitahian'I Allah aminareo
عربي Anglisy Ordo
“Misy fahasoavana roa no adinodinon'ny olona maro : Ny fahasalamana sy ny fanànana fotoana malalaka.”
عربي Anglisy Ordo
Fahombiazana ho an'izay niditra amin'ny finoana silamo, ary nomena anjara ampy azy ary afa-po amin'izay nomen'I Allah azy
عربي Anglisy Ordo
“Izay nifoha maraina aminareo ka salama tsara, tsy manana ahiahy amin’ireo eo ambany fiahiany, ary manan-kohanina amin’ny androny, dia toy ny efa nahazo an'izao tontolo izao”
عربي Anglisy Ordo
Ho azonao izay nirinao ary izay mitovy amin'izany miaraka aminy
عربي Anglisy Ordo
Any amin'ny Paradisa, ny mpino dia hanana lay vita amin'ny perla iray, enim_polo taona ny halavany, ary hivezivezy ao ireo mpino ka tsy hifankahita izy ireo
عربي Anglisy Ordo
“Hoy Allah ilay Avo Indrindra : Efa nomaniko ho an’ny mpanompoko mpanao asa soa izay tsy mbola hitan’ny maso, na ren’ny sofina, ary tsy mbola noheverin’ny fon’ny olombelona hatrizay.”
عربي Anglisy Ordo
Ny fasana no dingana voalohany amin'ny fiainana any ankoatra, ka raha voavonjy amin'izany ny olona iray dia mora kokoa noho izany ny manaraka, ary raha tsy afaka ao dia ho mafy kokoa noho izany ny manaraka
عربي Anglisy Ordo
“Ny antokon’olona voalohany hiditra ao amin’ny Paradisa dia hitovy endrika amin’ny volana fenomanana, ary ny manaraka azy dia ho tahaka ny kintana mamirapiratra eny amin’ny lanitra
عربي Anglisy Indoneziana
“Izay midina avy any an-tendrombohitra ka mamono tena dia ho ao amin’ny afobe, hitoetra ao mandrakizay
عربي Anglisy Indoneziana
“Mifaneke amiko ianareo fa tsy hanompo afa-tsy Allah irery ihany, tsy hangalatra, tsy hijangajanga
عربي Anglisy Indoneziana
Niatomboka ny finoana Silamo toy ny vahiny, ary hiverina amin'ny fomba niandohany toy ny vahiny ihany koa, ka sambatra ireo vahiny
عربي Anglisy Indoneziana
“Mitandrema amin’ny fahotana madinika,
عربي Anglisy Indoneziana
Olona fito no ahazo halokaloky ny tompo Allah amin'ny andro izay tsy misy haloka afa-tsy ny halony
عربي Anglisy Indoneziana