+ -

عن أبي مالكٍ الأشعريِّ رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم:
«الطُّهُورُ شَطْرُ الْإِيمَانِ، وَالْحَمْدُ لِلهِ تَمْلَأُ الْمِيزَانَ، وَسُبْحَانَ اللهِ وَالْحَمْدُ لِلهِ تَمْلَآنِ -أَوْ تَمْلَأُ- مَا بَيْنَ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ، وَالصَّلَاةُ نُورٌ، وَالصَّدَقَةُ بُرْهَانٌ، وَالصَّبْرُ ضِيَاءٌ، وَالْقُرْآنُ حُجَّةٌ لَكَ أَوْ عَلَيْكَ، كُلُّ النَّاسِ يَغْدُو، فَبَايِعٌ نَفْسَهُ فَمُعْتِقُهَا أَوْ مُوبِقُهَا».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 223]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abi Màlik Al -Ach'ary (R.D) niteny : Niteny ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.W.S) ka naanao hoe :
" Ny fidiovana dia tafiditra ho anisany an-tsasakin'ny finoana; ary ny fitenenana hoe : " Alehamdolillah " (Dera sy vonahitra ary fisorana feno fankasitrahana ho an'i Tompo Allah) dia mameno ny mizana; vato fan-dajana ny fitenenana hoe : " Soubehànallwahi wal-hamdolillàhy " (Midera sy mankasitraka an'i Tompo Allah) dia mameno ny manelanelana ny lanitra sy ny tany izany ; ny Soalat (fanompoam-pivavahana an'i Tompo Allah) dia hazavana; ny Soadakat (fanomezana an-tsitrapo) dia porofo (amin'ny fahamarinan'ny finoana); ny faharetana dia fanilo, ary ny Boky masina Koroany dia porofo miaro Anao amin'ny rehetra na mety manohitra Anao ihany koa. Ka ny Olona rehetra dia samy mivoaka avokoa amin'ny maraina, ary mivarotra ny tenany (amin'ny alalàn'ny fampiasana azy mba hahazoana ny takalo izay ilaina), ka na manavotra azy Izy amin'izany, na koa mandentika Azy. "

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim]

Ny fanazavana

Mampafantatra i Mpaminany (S.W.A) : Marina tokoa fa ny fahadiovana ivelany dia atao amin'ny alàlan'ny Ouzou sy ny fandroana ary izany tokoa no fepetra takina amin'ny Soalat. Ary ny fitenenana " Alehamdolillah " (Dera sy vonahitra ary fisorana feno fankasitrahana ho an'i Tompo Allah) dia mameno ny mizana ny vato fan-dajana izay midika ho fiderana an'i Tompo Allah sy Fahamasinana ho Azy, ary fandokafana Azy amin'ireo laza feno izay mameno ny mizanan'ny asa soa amin'ny Andron'ny farany, Andro ny fitsanganana amin'ny maty. Ary tena marina fa ny fitenenana ilay teny hoe : " Soubhànalloahy woalhamdou Lillahy " dia fampisitahana tanteraka an'i Tompo Allah amin'ny tsy fahafenoana sy ny fiderana Azy amin'ny fahafenoana tanteraka izay mifandraika amin'ny voninahiny sy ny fitiavana Azy ary fampiakaram-boninahiny dia mameno tanteraka ny eo anelanelan'ny lanitra sy ny tany. Ary tena marina fa ny " Vavaka Soalat dia hazavana " ho an'ny mpanompo ao am-pony, sy amin'ny tavany, ary ao amin'ny fasany sy amin'ny fotoana famoahana Azy avy ao am-pasana. Ary tena marina fa ny " fanomezana dia porofo " porofo ho an'ny fahamarinam-pinoany, sy fitsipahany an'ireo mpihatsaravelatsihy izay manakana izany nohon'ny tsy finoany ny fampanatenan'i Tompo Allah momba izany. Ary tena marina fa ny " faharetana dia hazavana " izany dia fanakanana ny tena amin'ny tebiteby sy ny tsy fifalina - hazavana mitondra ny hafanana sy ny fandorona tahaky ny fahazavan'ny masoandro, Satria izany dia sarotra ka mitaky ny fahazotoana sy fanoherana ny sitrapo, Ka tsy mitsahatra voazava sy voatari-dàlana hatrany ilay Olona, ary izany dia faharetana amin'ny fankatoavana an'i Tompo Allah, sy amin'ny fitsapana ary ireo karazan'ny zavatra tsy tiana rehetra eto an-tany. Ary tena marina fa ny " Koroany dia mpiaro Anao " amin'ny alàlan'ny famakiana Azy sy ny fampiharanao izay rehetra voalaza ao, na koa " mety lasa hitsipaka Anao " amin'ny fomba famelanao Azy sy tsy fampiharana izay rehetra voalaza ao ary ny tsy famakiana Azy. Avy eo dia nilaza sy nampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny Olona rehetra dia miezaka sy miparitaka ary mifoha amin'ny toromason'izy ireo ka mivoaka ny tranon'izy ireo handeha hanatanteraka ny asa maro samihafa. Misy amin'izy ireo no mijoro tsara eo amin'ny fankatoavana an'i Tompo Allah, ka manala ny Tenany amin'ny Afobe, ary misy koa ireo izay nivily làlana sy tafalatsaka amin'ny fahotana ka rendrika amin'ny fidirana ao amin'ny Afobe.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Azerianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fahadiovana dia misy fahadiovana roa : fahadiovana ivelany dia amin'ny alàlan'ny fanaovana Ouzou sy fandroana sy fisekena, ary ny fahadiovana izay anatiny dia amin'ny alàlan'ny fanokanana an'i Tompo Allah sy ny finoana ary ny fanaovana ny asa soa.
  2. Ny maha-zava-dehibe amin'ny fifikirana amin'ny fanompom-pivavahana Soalat, Satria izy io no fahazavan'ny Mpanompo iray eto an-tany sy amin'ny Andro farany, Andro fitsanganana amin'ny maty.
  3. Ny Soadakat dia fanomezana izay milaza ho Porofo eo amin'ny fahamarinam-pinoana.
  4. Ny maha-zava-dehibe ny fanatanterana ny asa rehetra izay voalaza ao amin'ny Boky masina Koroany ary ny fahatokisana Azy izany dia lasa mba zavatra tokony hiaro Anao fa tsy handetika Anao akory.
  5. Ny vatana raha vao tsy ampiasainao amin'ny fahendrena dia lasa Anao indray no ho ampiasainy amin'ny fanaovana haratsiana.
  6. Ny Olombelona rehetra dia tsy maintsy miasa; na izy hanafaka ny Tenany amin'ny alàlan'ny fan-katoavana, na koa handentika izany amin'ny fikomiana.
  7. Ny faharetana dia mitaky fizakana sy fanantenana ary amin'izany dia hahitana sarotra sy vesatra.
Fanampiny