Lisitr'ireo Hadith

Ny fidiovana dia tafiditra ho anisany an-tsasakin'ny finoana; ary ny fitenenana hoe : " Alhamdolillahy " (Dera sy vonahitra ary fisaorana feno fankasitrahana ho an'i Tompo Allah) dia mameno ny vato fandajana ny fitenenana hoe : " Sobohànallah wa alhamdolillàhy " (Midera sy mankasitraka an'i Tompo Allah) dia mameno ny manelanelana ny lanitra sy ny tany izany
عربي الإنجليزية الأوردية
izay manao ouzò tahaka izao ataoko izao ary avy izy manao soalat roa rakaa', ka tamin'ny fitoniana sy fahadiovam-po no nanaovany azy dia ho avelan'Allah ny fahotana vitany tany aloha
عربي الإنجليزية الأوردية
“Tsy eken’i Allah ny fivavahan’ny olona iray aminareo raha nangetotra izy mandra-panaony ny fanadiovana masina (ouzou)”
عربي الإنجليزية الأوردية
izay Olona manao fidiovana masina (Ouzo) ka nataony tsara ammim-pahamendrena izany, dia hivoaka amin'ny vatany ny fahotany ary hivoaka hatrany ambanin'ny hohony
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny fidiovana dia tafiditra ho anisany an-tsasakin'ny finoana; ary ny fitenenana hoe : "Alhamdolillah " (Dera sy vonahitra ary fisorana feno fankasitrahana ho an'i Allah) dia mameno ny mizana; vato fan-dajana ny fitenenana hoe : " Soubehànallwahi wal-hamdolillàhy " (Midera sy mankasitraka an'i Allah) dia mameno ny manelanelana ny lanitra sy ny tany izany
عربي الإنجليزية الأوردية
Loza ho any amin'ny afobe izay tsy nanasa ny voditongony ary ataovy tsara ny Ozò
عربي الإنجليزية الأوردية
“Rehefa manao Ouzo ny iray aminareo, dia aoka izy hampiditra izany any amin’ny orony, ary avy eo havoakany, ary izay manao ny istijmàra (mifitra amin'ny vato sns...), dia aoka hataony telo
عربي الإنجليزية الأوردية
ka dia nanao ozoò ho azy ireo tahaka ny an'ny Mpaminany (S.A.W)
عربي الإنجليزية الأوردية
“I Satana dia mamatotra amin’ny lohan’ny iray aminareo, rehefa matory izy fatotra telo, ka isaky ny fatotra iray izy dia mikapoka ary miteny hoe: Mbola lava ny alinao ka matoria
عربي الإنجليزية الأوردية
“Raha mifoha amin’ny torimasony ny anankiray aminareo, dia aoka izy hitsoka ny orony (manadio ny orona) intelo, fa i Satana mandry eo am-bavorony mandritra ny alina”
عربي الإنجليزية الأوردية
Nisy lehilahy iray nanao ouzò ka namela toerana mitovy amin'ny hoho teo amin’ny tongony, Nahita azy ny Mpaminany (S.A.W) dia niteny hoe : “Miverena ary manaova fidiovana (ouzò) tsara.” Niverina nanao ozò izy avy eo dia nanao soalat
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny Mpaminany (S.A.W), dia mandro tamin'ny " sàa' " iray ka hatramin'ny dimy fatra, ary nanao ozo tamin'ny "modd" iray izy
عربي الإنجليزية الأوردية
“Tsy misy mpino silamo iray manao Ouzo ka manao izany tsara, avy eo mitsangana mivavaka roa rakat, miatrika tsara izany ny fony sy ny tavany, afa-tsy ny paradisa azo antoka ho azy.”
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny Mpaminany (S.A.W) dia nanao ozò isaky ny soalat
عربي الإنجليزية الأوردية
Nanao ouzò ny Mpaminany (S.A.W) ka nataony indray mandeha indray mandeha avokoa
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny Mpaminany (S.A.W) nanasa indroa, indroa tamin'ny ouzò
عربي الإنجليزية الأوردية
“Raha misy aminareo maheno zavatra ao an-kibony, ka misalasala izy raha nisy zavatra nivoaka avy ao na tsia, dia tsy tokony hiala ao amin’ny moske izy raha tsy mandre feo na mamerovero fofona.”
عربي الإنجليزية الأوردية
Rehefa manao Ozo ny mpanompo iray" na "mpino iray", Ka manasa ny tarehiny, dia mivoaka amin'ny tarehiny miaraka amin'ilay rano ny fahotana rehetra nojeren'ny masony" na miaraka amin'ilay rano farany nilatsaka amin'ny tany
عربي الإنجليزية الأوردية