عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه أَنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«إِذَا اسْتَيْقَظَ أَحَدُكُمْ مِنْ مَنَامِهِ فَلْيَسْتَنْثِرْ ثَلَاثَ مَرَّاتٍ، فَإِنَّ الشَّيْطَانَ يَبِيتُ عَلَى خَيَاشِيمِهِ».
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 238]
المزيــد ...
Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Raha mifoha amin’ny torimasony ny anankiray aminareo, dia aoka izy hitsoka ny orony (manadio ny orona) intelo, fa i Satana mandry eo am-bavorony mandritra ny alina”.
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Moslim - 238]
Mamporisika izay mifoha amin'ny torimasony i Mpaminany (S.A.W) mba hitsoka ny orony in-telo. Ny fitsohana ny orona dia midika ho famoahana rano avy ao amin'ny orona rehefa avy nampidirina, satria i Satana dia mandany ny alina eo amin'ny vavorona - izany hoe ny orona manontolo -.