+ -

عَن عَبْدِ اللَّهِ بْنِ عُمَرَ رضي الله عنهما قَالَ: سُئِلَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ عَنِ الْمَاءِ وَمَا يَنُوبُهُ مِنَ الدَّوَابِّ وَالسِّبَاعِ، فَقَالَ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«إِذَا كَانَ الْمَاءُ قُلَّتَيْنِ لَمْ يَحْمِلِ الْخَبَثَ».

[صحيح] - [رواه أبو داود والترمذي والنسائي وابن ماجه وأحمد] - [سنن أبي داود: 63]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abdillah bin Omar (R.A) niteny : Nanontaniana ny irak'Allah mahakasika ny rano sy izay mahasolo azy amin’ny biby ary ny bibidia miaraka aminy, dia hoy i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Raha feno kollatainy ny rano dia tsy hitondra fahalotoana hoa azy."

[Mari-pototra] - - [Sonan Abo Daòd - 63]

Ny fanazavana

Nanontaniana i Mpaminany (S.A.W) momba fahadiovan'ny rano izay isotroan'ny biby sy ny bibidia sy ireo izay toy izany, dia hoy izy namaly : Raha ny habetsahan'ny rano dia mahatratra siny lehibe roa, izay mitovy amin'ny (210) litatra, dia voasokajy ho rano be dia be ka tsy maloto. Raha tsy hoe niova nohon’ny fahalotoana ny iray amin'ireo toetrany telo - loko, tsiro na fofona.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Lasa maloto ny rano raha miova noho ny fahalotoana ny iray amin'ireo toetrany telo : ny lokony, ny tsirony, na ny fofony, ary ny Hadith dia milaza ny ankamaroany fa tsy famaritana.
  2. Miara-manaiky ireo manampahaizana fa raha niovan'ny loto ny rano dia maloto tanteraka, na kely na be.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Alimanina Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Aldoria serbianina Keniaroandia Romaniana Hongariana الموري Oromianina Kanadianina Okranianina الجورجية المقدونية الماراثية
Fanehona ny dikanteny