عَن أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه قَالَ:
سَأَلَ رَجُلٌ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَقَالَ: يَا رَسُولَ اللهِ، إِنَّا نَرْكَبُ البَحْرَ، وَنَحْمِلُ مَعَنَا القَلِيلَ مِنَ الْمَاءِ، فَإِنْ تَوَضَّأْنَا بِهِ عَطِشْنَا، أَفَنَتَوَضَّأُ مِنَ الْبَحْرِ؟ فَقَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «هُوَ الطَّهُورُ مَاؤُهُ، الحِلُّ مَيْتَتُهُ».
[صحيح] - [رواه أبو داود والترمذي والنسائي وابن ماجه وأحمد] - [سنن الترمذي: 69]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Abo horaira (R.A) niteny :
Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Ry irak'Allah ô, mandeha an-dranomasina izahay, ary mitondra rano kely miaraka aminay, ka raha manao ozo amin' izany izahay dia hangetaheta, ka afaka manao ozo amin'ny ranomasina ve izahay? Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Madio ny ranony, ary azo hanina ny hazandrano maty ao".
[Mari-pototra] - - [Sonan At-Tirmizì - 69]
Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : Miondrana an-tsambo eny an-dranomasina izahay mba hanaratoana na hanao varotra sy ny toy izany, ary mitondra rano fisotro kely izahay, ka raha ampiasainay ho an’ny fanaovana ozo sy fanadiovana dia ho lany ary tsy mahita rano hosotroina, ka azo atao ve ny manao ozo amin'ny ranomasina?
Hoy i Mpaminany (S.A.W) momba ny ranon-dranomasina : Madio sy manadio ny ranony, Azo atao ny manadio sy mandro amin’izany, ary azo atao koa ny mihinana izay mivoaka avy ao, toy ny trondro, trozona, sns, na dia hita faty aza ka nitsinkafona teo an-damosiny nefa tsy nihaza.