+ -

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه عَنِ النَّبِيِّ صلى الله عليه وسلم قَالَ:
«لَا يَقْبَلُ اللهُ صَلَاةَ أَحَدِكُمْ إِذَا أَحْدَثَ حَتَّى يَتَوَضَّأَ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 6954]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Tsy eken’I Allah ny fivavahan’ny olona iray aminareo raha nangetotra izy mandra-panaony ny fanadiovana masina (ouzou)”.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Nambaran’ny Mpaminany (S.A.W) fa fepetra takina mba hahatomombana ny fivavahana swalat : dia ny fahadiovana, ka izay te hivavaka dia tsy maintsy manao Ouzou rehefa nanao zavatra manafoana ny ouzou. Toy ny fivoahana, na fipipizana, na torimaso lalina sns...

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Swalat-n'ny olona nivoahan'ny loto dia tsy azo ekena raha tsy mandro noho ny loto lehibe ary ouzou kosa raha loto kely.
  2. Ny ouzou dia ny fakana rano, fanontsanana azy ao am-bava ary mamoaka izany, avy eo misintona ny rano amin'ny fofonainy mankany anaty orony, avy eo mamoaka izany, avy eo manasa ny tavany intelo, dia manasa tànana hatreo amin'ny kiho in-telo, dia safoina indray mandeha ny lohany iray manontolo, ary manasa ny tongony roa hatreo amin’ny kitrokeliny intelo.