عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«قَالَ اللَّهُ: كُلُّ عَمَلِ ابْنِ آدَمَ لَهُ، إِلَّا الصِّيَامَ، فَإِنَّهُ لِي وَأَنَا أَجْزِي بِهِ، وَالصِّيَامُ جُنَّةٌ، وَإِذَا كَانَ يَوْمُ صَوْمِ أَحَدِكُمْ فَلاَ يَرْفُثْ وَلاَ يَصْخَبْ، فَإِنْ سَابَّهُ أَحَدٌ أَوْ قَاتَلَهُ، فَلْيَقُلْ إِنِّي امْرُؤٌ صَائِمٌ، وَالَّذِي نَفْسُ مُحَمَّدٍ بِيَدِهِ، لَخُلُوفُ فَمِ الصَّائِمِ أَطْيَبُ عِنْدَ اللَّهِ مِنْ رِيحِ المِسْكِ، لِلصَّائِمِ فَرْحَتَانِ يَفْرَحُهُمَا: إِذَا أَفْطَرَ فَرِحَ، وَإِذَا لَقِيَ رَبَّهُ فَرِحَ بِصَوْمِهِ».
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 1904]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) niteny : Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Niteny Allah hoe : Ny asa soa rehetra ataon'ny zanak'i Adama dia azy afa tsy ny fifehezana, Izy io (fifehezana) dia ahy ary ny tenako no hamaly soa an'izay nanao azy. Ny fifehezana dia FIARO, Ka rehefa eo am-panatanterahana fifehezana ny iray aminareo, dia aoka tsy hamoaka teny tsy voahevitra na hiteny ratsy. Raha misy manompa azy na mitady ady aminy, dia akoa izy hilaza manao hoe: IZAHO DIA MIFEHY!. Mianiana aho amin'ilay mitazona ny fofon'aiko eo am-pelatànany : "Fa ilay fofona hafahafa mivoaka amin'ny vavan'ny mpifehy vava dia manitra lavitra mihoatry ny fofon'ny ranomanitra MISK". Ary ny mpifehy vava dia manam-pifaliana anakiroa : "Rehefa hisakafo amin'ny hariva dia faly manoloana fisakafoany, Ary rehefa tonga ny fotoana hifanatrika amin'ny tompony amin'ny andro farany, dia ho faly noho ilay fifehezana nataony".
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 1904]
Nitatitra ny Mpaminany (S.A.W) fa niteny Allah ao amin'ny Hadith Masina (AL-QOUDSIOU) :
Ny asa soa rehetra ataon’ny zanak’i Adama dia ampitomboina folo avo heny ka hatramin’ny fitonjato, afa-tsy ny fifadian-kanina. Izy io dia Ahy satria tsy fahitana fireharehana, ary Izaho no mamaly soa izany, ary izaho irery no mahalala ny haben'ny valisoany sy ny fampitomboana ny asa soa ataony.
Avy eo izy niteny hoe : (Ary ny fifadian-kanina dia apinga) sy fiarovana, firakotra ary fiarovana mafy amin'ny afobe. Satria ny fifadian-kanina dia fitazoman-tena amin'ny filana sy ny fanaovana fahotana, ary ny afobe dia voadidin'ny faniriana.
(Koa raha eo am-panaovana ny fifadian-kanina ny iray aminareo, dia aza manao vetaveta) amin’ny firaisana ara-nofo sy ny teny feno vetaveta.
(Ary aza mitabataba) amin'ny fifandirana sy ny horakoraka.
(Raha misy manevateva azy na miady aminy) mandritra ny Ramadany dia aoka izy hiteny hoe : Izaho dia olona mifady hanina. Angamba hajanony izany, raha mbola tsy mitsahatra fa mila ady foana, dia aoka hanosika azy fotsiny ary ny maivana dia toy ny mpihaza.
Avy eo dia nianiana sy nifanta tamin’ilay mitazona ny fanahiny eo an-tànany fa ny fiovan’ny fofon’ny vavan’ny olona mifady hanina noho ny fifadian-kanina dia mahafaly kokoa an’Allah amin’ny andro farany noho ny fofn'ny ranomanitra Miska eo aminareo, ary maha be fahasoavana mihaotry ny Misk izay mahazatra anareo amin'ny vavaka zoma sy ny fivorian'ny Zikr.
Ny olona mifady hanina dia manana fifaliana roa : rehefa manapaka ny fifehezany izy, dia mifaly amin’ny fanjavonan’ny hanoanana sy ny hetahetany, satria navela hisakafo izy, ary mifaly amin’ny fahavitan’ny fifadian-kanina sy ny fiafaran’ny fanompoany, ary fanamaivanana avy amin’ny Tompony, ary fanampiana ho an’ny hoavin’ny fifehezany.
(Ary rehefa mihaona amin’ny Tompony izy dia mifaly amin’ny fifadian-kanina) miaraka amin’ny valisoa sy ny tombotsoa azony.