Lisitr'ireo Hadith

Ny finoana silamo dia miorina amin'ny zavatra dimy
عربي الإنجليزية الأوردية
Hitanao ve, raha manao ireo Soalat voadidy Aho, avy eo mifehy ny fifehezana amin'ny volana Ramadany, ary manao an'izay rehetra voalaza fa mety, ary mifady ihany koa an'izay rehetra fady tsy mety
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay nifehy tamin'ny volana Ramadan tamin'ny Fo feno finoana sy fanantenana valisoa amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana vitany teo aloha
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay nitsangana amin'ny alin'ny lahatra (Laylatoul-kadri) tamin'ny fo feno finoana sy fanatenana valisoa avy amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana rehetra izay vitany teo aloha
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny finoana silamo dia miorina amin'ny zavatra dimy
عربي الإنجليزية الأوردية
Niteny Allah manao hoe : Ny asa soa rehetra ataon'ny zanak'i Adama dia azy afa tsy ny fifehezana, Izy io dia ho ahy ary ny tenako no hamaly soa ny aminy
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny Mpaminany (S.A.W) dia efa niezaka mafy tao anatin'ny folo alina farany (amin'ny Ramadany) mihoatra ny fiezahany tamin'ny fotoana hafa
عربي الإنجليزية الأوردية
Nanoro hevitra ahy hanao zavatra telo ilay sakaizako (S.A.W) : ny fifehezany telo andro isam-bolana, ny fanaovana ny swalat Douha roa rakat, ary ny fanaovana ny swalat Witr alohan'ny hatoriako
عربي الإنجليزية الأوردية
Rehefa hitanareo izy, dia mifeheza ianareo, ary raha hitanareo izy, dia tapaho ny fifehezana, fa raha manjavozavo aminareo ny andro, dia fenoy ny isa
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay manan-katao aminareo dia aoka izy hanambady, fa izany dia mampidina ny maso, sy miaro ny taovam-pananahana, ary izay tsy afaka kosa dia aoka izy hifehy, fa ho fiarovana ho azy izany
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny irak'Allah (S.A.W) no olona malala-tànana indrindra, ary tena hita ny fahalalan-tànany indrindra amin'ny Ramadany rehefa nihaona taminy i Jibril
عربي الإنجليزية الأوردية
ary izaho dia Dhamam Ibn Thaalabah, avy amin'ny foko Banu Saad bin Bakr
عربي الإنجليزية الأوردية
“Izay nifehy iray andro amin’ny làlan’I Allah (noho tompo Allah) dia ho halavirin’I Allah im-pitopolo KHARIFA amin’ny Afobe ilay olona ”
عربي الإنجليزية الأوردية
Mbola mitoetra tsara ny olona raha mbola manafaingana ny fisakafoana amin'ny hariva izy ireo
عربي الإنجليزية الأوردية
Niara-nisakafo maraina tamin'ny Mpaminany (S.A.W) izahay, ary nitsangana nivavaka izy avy eo, dia niteny aho hoe : Hafiriana no teo anelanelan'ny Azan sy ny sakafo maraina (Sohor)? Dia hoy izy namaly : Andininy masina dimampolo eo ho eo
عربي الإنجليزية الأوردية
Fa i Mpaminany (S.A.W) dia niditra tamin'ny Itikaf nandritra ny folo andro farany tamin'ny Ramadany, mandra-piverenany tany amin'I Allah, ary avy eo nanao Itikaf avokoa ireo vadiny tao aoriany
عربي الإنجليزية الأوردية
Mihinàna Sahoor ianareo; satria ao amin'ny Sahoor dia misy fahasoavana
عربي الإنجليزية الأوردية
Aza mialoha ny Ramadany amin'ny fifehezana iray na roa andro, afa-tsy ny olona izay efa zatra nifehy dia aoka izy hifehy
عربي الإنجليزية الأوردية
“Izay nanadino hoe izy mifehy ka tafihinana sy tafisotro, dia aoka izy hanohy ny fifehezany satria i Allah no nampihinana sy nampisotro azy”
عربي الإنجليزية الأوردية
Niaraka nanao Eid tamin'i Omar bin Al-Khattab (R.A) aho, ka hoy izy : Ireo roa ireto no andro nandraran'ny irak'Allah ny fifehezana : ny andro hitsaharanareo amin'ny fifehezanareo, ary amin'ny andro hafa izay hihinananareo amin'ny fomba fanaonareo
عربي الإنجليزية الأوردية
Tadiavo ny Laylat al-Qadr amin'ny alina isa tsy mivaky (impaire) amin'ny folo andro farany amin'ny Ramadany
عربي الإنجليزية الأوردية
Hitako ny nofinareo, Nitambatra tao anatin'ny fito andro farany izy, ka izay mpitady azy dia tokony hitady azy ao anatin'ny fito andro farany
عربي الإنجليزية الأوردية
Rehefa tonga ny folo andro farany, dia namelona ny alina ny irak'Allah, namoha ny fianakaviany, ary nanamafy sy namehy ny sikiny
عربي الإنجليزية الأوردية
tsy misy fifehezana ho an'izay mifehy mandavan-taona, fa ny fifehezana telo andro dia mitovy amin’ny fifadian-kanina mandritra ny androm-piainany
عربي الإنجليزية الأوردية
Rehefa tonga ny Ramadany, dia misokatra ny vavahadin'ny Paradisa, mihidy ny vavahadin'ny helo, ary mifatotra ny devoly
عربي الإنجليزية الأوردية