+ -

عَنْ عَائِشَةَ أُمِّ المُؤْمنينَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهَا زَوْجِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
أَنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ كَانَ يَعْتَكِفُ العَشْرَ الأَوَاخِرَ مِنْ رَمَضَانَ، حَتَّى تَوَفَّاهُ اللَّهُ، ثُمَّ اعْتَكَفَ أَزْوَاجُهُ مِنْ بَعْدِهِ.

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 2026]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Aicha (R.A) renin'ny mpino silamo ary vadin'ny Mpaminany (S.A.W) :
Fa i Mpaminany (S.A.W) dia niditra tamin'ny Itikaf nandritra ny folo andro farany tamin'ny Ramadany, mandra-piverenany tany amin'I Allah, ary avy eo nanao Itikaf avokoa ireo vadiny tao aoriany.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 2026]

Ny fanazavana

Nitatitra ny Renin'ny mpino Aisha (R.A) fa ny Mpaminany (S.A.W) dia nanao Itikaf fona nandritra ny folo andro farany tamin'ny Ramadany, nitady ny Laylat al-Qadr, ary nanohy izany mandra-pialany teto an-tany ary nanao Itikaf koa ireo vadiny taorian'ny nahafatesany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Azo atao ny Itikaf ao amin'ny moske, eny fa na dia ho an'ny vehivavy aza, eo ambanin'ny fanaraha-maso ara-dalàna sy amin'ny fepetra ho voaro amin'ny fakam-panahy.
  2. Itikaf dia atao mandritra ny folo andro farany amin'ny Ramadany mba hitoetra tahaka nataon'ny Mpaminany (S.A.W).
  3. Ny Itikaf dia Sonnah mitohy izay tsy nofoanana, satria ireo vadiny (R.A) dia nanao izany ihany koa tao aoriany.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Aldoria Romaniana Hongariana الموري Oromianina Kanadianina Okranianina الجورجية المقدونية الماراثية
Fanehona ny dikanteny
Fanampiny