عن أَنَسِ بْنِ مَالِكٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ قَالَ: قَالَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«تَسَحَّرُوا، فَإِنَّ فِي السَّحُورِ بَرَكَةً».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 1923]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Anas (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Mihinàna Sahoor ianareo; satria ao amin'ny Sahoor dia misy fahasoavana"

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 1923]

Ny fanazavana

Ny Mpaminany (S.A.W) dia namporisika ny ihinana sahoor, izany dia fihinana amin'ny faran'ny alina ho fanomanana ny fifehezana. Satria misy fahasoavana lehibe ao, toy ny valisoa sy tambiny, ary ny fitsanganana amin’ny faran’ny alina hivavaka, mampatanjaka mandritra ny fifehezana, fahazotoana amin’izany, ary manena ny fahasahiranana.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

  1. Tsara ny mihina sohoor sy manaraka ny didin'ny lalàna amin'ny fanaovana izany.
  2. Hoy I Ibn Hajar ao amin'ny Fath al-Bari : Ny fahasoavana amin'ny Sohoor dia tonga amin'ny fomba maro, dia ny fanarahana ny Sonnah, ny tsy fitovizana amin'ny olon'ny Boky, ny fanamafisana ny fanompoam-pivavahana amin'ny alàlan'izany, ny fampitomboana ny asa, ny fiarovana amin'ny fitondran-tena ratsy ateraky ny hanoanana, ary ny fanomezana fiantrana ho an’izay mangataka amin’izany fotoana izany na miara-misakafo aminy, fahatsiarovana sy fitalahoana amin’ny fotoana iandrasana ny valiny, ary manitsy ny fikasana hifady hanina ho an’izay manao an-tsirambina alohan’ny hatoriana.
  3. Ny fampianarana tsara azo tamin'ny Mpaminany (S.A.W) satria izy no manambatra ny didy sy ny fahendrena. Mba hanazava ny fo, ary mahafantatra ny fahambonian'ny lalàna.
  4. Hoy I Ibn Hajar : Ny Sohoor dia azo amin'ny sakafo sy zava-pisotro faran'izay kely indrindra.
Fanehoana ny dikan-teny
Ny Fiteny: الإنجليزية الأوردية الإسبانية Ny Fanampiny (46)