عَنْ زَيْدِ بْنِ ثَابِتٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ قَالَ:
تَسَحَّرْنَا مَعَ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، ثُمَّ قَامَ إِلَى الصَّلاةِ، قُلْتُ: كَمْ كَانَ بَيْنَ الأَذَانِ وَالسَّحُورِ؟ قَالَ: قَدْرُ خَمْسِينَ آيَةً.
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 1921]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Zaid Ibn Thabit (R.A) niteny :
Niara-nisakafo maraina tamin'ny Mpaminany (S.A.W) izahay, ary nitsangana nivavaka izy avy eo, dia niteny aho hoe : Hafiriana no teo anelanelan'ny Azan sy ny sakafo maraina (Sohor)? Dia hoy izy namaly : Andininy masina dimampolo eo ho eo.
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 1921]
Niara-nisakafo maraina tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ny sasany tamin'ireo mpanaradia, ary avy eo dia nitsangana izy handeha hanao ny vavaky ny maraina (Swalat Fajri). Hoy Anas tamin'i Zaid bin Thabit (R.A) : Firy ny fotoana teo anelanelan'ny fiantsoana (Azan) sy ny fiafaran'ny sakafo maraina? Dia hoy i Zaid hoe : Fe-potoana hamakina andininy masina dimampolo eo, sady tsy lava no tsy fohy, na koa haingana na miadana.