عَنْ أَبِي سَعِيدٍ الْخُدْرِيِّ رضي الله عنه قَالَ:
كُنَّا نُخْرِجُ إِذْ كَانَ فِينَا رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ زَكَاةَ الْفِطْرِ، عَنْ كُلِّ صَغِيرٍ وَكَبِيرٍ، حُرٍّ أَوْ مَمْلُوكٍ، صَاعًا مِنْ طَعَامٍ، أَوْ صَاعًا مِنْ أَقِطٍ، أَوْ صَاعًا مِنْ شَعِيرٍ، أَوْ صَاعًا مِنْ تَمْرٍ، أَوْ صَاعًا مِنْ زَبِيبٍ، فَلَمْ نَزَلْ نُخْرِجُهُ حَتَّى قَدِمَ عَلَيْنَا مُعَاوِيَةُ بْنُ أَبِي سُفْيَانَ رضي الله عنه حَاجًّا، أَوْ مُعْتَمِرًا فَكَلَّمَ النَّاسَ عَلَى الْمِنْبَرِ، فَكَانَ فِيمَا كَلَّمَ بِهِ النَّاسَ أَنْ قَالَ: إِنِّي أَرَى أَنَّ مُدَّيْنِ مِنْ سَمْرَاءِ الشَّامِ، تَعْدِلُ صَاعًا مِنْ تَمْرٍ، فَأَخَذَ النَّاسُ بِذَلِكَ، قَالَ أَبُو سَعِيدٍ: فَأَمَّا أَنَا فَلَا أَزَالُ أُخْرِجُهُ كَمَا كُنْتُ أُخْرِجُهُ، أَبَدًا مَا عِشْتُ.
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 985]
المزيــد ...
Tatitra azo avy amin'i Abo Said Al-Khodri (R.A) niteny izy :
Izahay namoaka Zakatol-Fitr tamin'ny fotoana nahateo an'ny Mpaminany (S.A.W) ka voadidy hamoaka izany avokoa ny zaza sy ny olon-dehibe, olona tsotra na andevo, swaa amin'ny sakafo na swaa amin'ny varim_bazaha na swaa amin'ny voaloboka na swaa amin'ny atrendry, ka tsy nijanona namoaka izany izahay mandram-pahatongavan'i Moawiyah bin Abi Sofyan (R.A) nanao Hajj na Omra teo aminay, ka niresaka tamin’ny olona teo amin’ny polipitra izy, ary tamin’ny fotoana niresahany tamin’ny olona no nilazany hoe : “Izaho mahita fa ny felatànana roa amin'ireo olona any samra Shami mitovy saa amin'ny atrendry, dia nanaraka izany ny olona. Dia hoy i Abo Sa'id : Fa izaho kosa dia mijanona mamoaka izany tahaky ny namoahako azy teo aloha raha mbola miaina eto an-tany".
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Moslim - 985]
Ny mpino silamo teo aloha dia namoaka ny Zakatoul-Fitr tamin'ny andron'ny Mpaminany sy ny andron'ny Kalifa taoriany, amin'ny tanora sy ny antitra fatran'ny swaa amin'ny sakafo. Ary ny sakafon'izy ireo dia vary sy voaloboka : voaloboka maina, ary aqt: ronono maina sy atrendry. Ny habetsahan'ny saa dia efatra Modd, ary ny modd dia mitovy amin'ny fahafenoan'ny felatan'ny lehilahy antonony. Rehefa tonga tao Madina i Moawiyah (R.A) ary izy no mpitondra tamin'izany, ka nihamaro varimbaza tao Shami, dia nitsangana niresaka tamin'ny olona dia niteny hoe : Izaho mahita fa ny modd roa amin'ny varimbazaha avy ao Chami (antsasaky ny saa), mitovy amin'ny saa amin'ny atrendry, ka nandray izany avokoa ny olona rehetra. Hoy I Abou Saad Al-Khodri (R.A) hoe : Raha ny amiko, dia mbola hanohy ny fandoavana izany aho tahaka ny nandoavako azy tamin'ny andron'ny Mpaminany, raha mbola velona aho.