+ -

عن أَنَسَ بْنَ مَالِكٍ رضي الله عنه قال:
بينما نحن جلوس مع النبي صلى الله عليه وسلم في المسجد دخل رجل على جمل، فأناخه في المسجد ثم عقله، ثم قال لهم: أيكم محمد؟ والنبي صلى الله عليه وسلم متكئ بين ظهرانيهم، فقلنا: هذا الرجل الأبيض المتكئ. فقال له الرجل: يا ابن عبد المطلب فقال له النبي صلى الله عليه وسلم: «قد أجبتك». فقال الرجل للنبي صلى الله عليه وسلم: إني سائلك فمشدد عليك في المسألة، فلا تجد علي في نفسك؟ فقال: «سل عما بدا لك» فقال: أسألك بربك ورب من قبلك، آلله أرسلك إلى الناس كلهم؟ فقال: «اللهم نعم». قال: أنشدك بالله، آلله أمرك أن نصلي الصلوات الخمس في اليوم والليلة؟ قال: «اللهم نعم». قال: أنشدك بالله، آلله أمرك أن نصوم هذا الشهر من السنة؟ قال: «اللهم نعم». قال: أنشدك بالله، آلله أمرك أن تأخذ هذه الصدقة من أغنيائنا فتقسمها على فقرائنا؟ فقال النبي صلى الله عليه وسلم: «اللهم نعم». فقال الرجل: آمنت بما جئت به، وأنا رسول من ورائي من قومي، وأنا ضمام بن ثعلبة أخو بني سعد بن بكر.

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 63]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Anas Ibn Malik (R.D) Niteny ka nanao hoe :
Raha mbola niara-nipetraka tamin'ny Mpaminany (S.W.A) Izahay, tao amin'ny Mosque, dia nisy Lehilahy iray niditra nitaingina rameva ary nifatorany ilay rameva izay noentiny. Avy eo nanontany ireo Soahaba Izy ka nanao hoe : Iza Aminareo no Mohammadi ? Ary i Mpaminany (S.W.A) mipetraka manelanelan'ny vahoaka, dia Niteny Izahay hoe : io lehilahy fotsy mipetraka io, ka Niteny taminy ilay Lehilahy hoe : O Ry ibn A'bdoul Mottàlib ! Namaly i Mpaminany (S.W.A) : Maheno Anao Aho, Niteny ilay Lehilahy : hanontany Anao Aho ary ho entitra amin'ilay fanontaniako ka aza tezitra Amiko Ianao. Niteny Izy : Anontanio izay ilainao, Dia hoy Izy : Manontany Anao Aho amin'ny Tomponao sy Tompon'ny teo aloha, i Tompo Allah marina no naniraka Anao ho amin'ny Olona rehetra ? Namaly Izy : Eny ! Tompo Allah tokoa. Niteny ilay Rangahy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, Allah marine ve no naniraka Anao ny hivavahanay in-dimy isan'andro, Namaly Izy : Eny ! Tompo Allah tokoa. Niteny Izy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, i Tompo Allah marina no naniraka Anao hampifehy Anay iray volana mandritry ny taona ? Namaly Izy : Eny ! Tompo Allah tokoa. Niteny ilay Rangahy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, i Tompo Allah tokoa ve no naniraka Anao ny hamoahanay amin'ny ampahan-karenay omena ny mahantra Aminay ? Namaly i Mpaminany (S.W.A) : Eny ! Tompo Allah tokoa. Hoy ilay Lehilahy : “ Mino ny zavatra nentinao Aho, ary iraka avy amin’ny vahoakako ao aorianako Aho, ary izaho dia Dhamam Ibn Thaalabah, avy amin'ny foko Banu Saad bin Bakr.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Milaza sy mampahafantatra i Anas ibn Màlik (R.D) : Rehefa nipetrapetraka teo anatrehan'ny Mpaminany (S.W.A) tao amin'ny Mosque izy ireo dia nisy lehilahy iray niditra miaraka tamin'ny Rameva ka nifatorany, Avy eo nanontany azy ireo hoe : iza Aminareo no Mouhammadi ? Ary i Mpaminany (S.W.A) mipetraka eo amin'ny vahoaka, ka Niteny Izahay hoe : io Lehilahy fotsy mipetraka io, Niteny Taminy ilay Lehilahy : O Ry ibn A'bdoul Mottàlib, Namaly Azy i Mpaminany (S.W.A) : enoko Anao, ary manontania fa ho valiako. Niteny tamin'ny Mpaminany (S.W.A) Izy : hanontany Anao Aho amin'ny fanontaniana entitra, ka aza tezitra Amiko Ianao. Izany hoe : Aza tezitra Amiko ary aza malahelo, Namaly Izy : anontanio izay rehetra ilainao, Niteny ilay Lehilahy : Manontany Anao Aho ary mifanta sy mianiana amin'ny Tomponao sy ny Tompn'ireo teo aloha, i Tompo Allah tokoa ve no naniraka Anao ho any amin'ny Olona rehetra ? Namaly Izy : Eny, tena i Tompo Allah tokoa, fankamafisana ny fahamarinany, Niteny ilay Rangahy ka nanao hoe : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, manontany Anao amin'ny anaran'i Tompo Allah, i Tompo Allah marina ve no naniraka Anao handidy Anay hivavaka in-dimy isan'andro, ary izany no fivavahana Soalat voadidy, Namaly Izy : Eny, Izy tokoa no Tompo Allah, Niteny Izy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, i Tompo Allah tokoa ve no naniraka Anao hampifehy Anay amin'ity volana ity isan-taona ? Izany hoe volana Ramadany, Namaly Izy : Eny, tena Tompo Allah tokoa. Niteny Izy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, fa tena Allah tokoa ve no naniraka Anao amin'ny hamohanay ny ampahany amin'ny harenan'ireo Mpanankarena Aminay dia homena ireo izay mahantra Aminay ? Izany hoe Zakat, Namaly i Mpaminany (S.W.A) : Eny, fa tena Tompo Allah tokoa, Dia nanaiky ny finoana Islam i Damam, ary nampahafantatra an'ny Mpaminany (S.W.A) fa hiantso vahoakany amin'ny finoana Islam, ary nampahafantatra ny tenany fa Izy tokoa no Damam ibn Tha'labat avy amin'ny foko Sa'd ibn Bakr.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Bosnia Sinhala India Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia Malayalamia Teljo saohilia Birmana Tailandia Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Azerianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fanetren-tena nataon'ny Mpaminany (S.W.A); ka tsy nahavita nanavaka Azy tamin'ireo Mpanaradiany ilay Lehilahy.
  2. Ny toetra tsaran’ny Mpaminany (S.W.A) sy ny hatsaram-panahiny amin’ny famaliana ny fanontaniana, ary ny famaliana amin'ny fomba tsara no anisan’ny anton’ny fanekena ny fiantsona.
  3. Azo atao ny mampahafantatra ny Olona iray manana fiodirana fotsy, mena, lava, fohy, sy ny toy izany, izay tsy natao hahatonga fahafaham-baraka, raha tsy halany izany.
  4. Azo ataon'ny tsy Mpino miditra ao amin’ny Mosque raha misy anton-diany.
  5. Tsy voalaza ny fivahiniana masina tao amin'ny Hadithe Satria mety mbola tsy voadidy izany tamin'io fotoana io.
  6. Fitiavan'ny Mpiara-dian'ny Mpaminany (S.W.A) ny fampielezana sy fiantsona ny Olona; vao tafiditra anaty finoana Izy dia tapa-kevitra ny hiantso ny vahoakany.