+ -

عَنْ عُبَادَةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«مَنْ شَهِدَ أَنْ لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ وَحْدَهُ لَا شَرِيكَ لَهُ، وَأَنَّ مُحَمَّدًا عَبْدُهُ وَرَسُولُهُ، وَأَنَّ عِيسَى عَبْدُ اللهِ وَرَسُولُهُ وَكَلِمَتُهُ أَلْقَاهَا إِلَى مَرْيَمَ وَرُوحٌ مِنْهُ، وَالْجَنَّةُ حَقٌّ، وَالنَّارُ حَقٌّ، أَدْخَلَهُ اللهُ الْجَنَّةَ عَلَى مَا كَانَ مِنَ الْعَمَلِ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 3435]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Obada (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Izay mijoro ho vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiara-miombona Aminy, ary i Mohammad dia mpanompony sy Irakany, ary i Jesoa dia mpanompon’I Allah sy Irakany, ary ny teniny no natolony an’i Maria sy fanahy avy any Aminy. Ary misy tokoa ny Paradisa, ary misy ihany koa ny afobe, dia hampidirin’I Allah ao amin’ny Paradisa izy noho ny asany”.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Milaza ny irak'I Allah (S.A.W) fa izay manonona ny teny fanokanana an'I Allah, mahafantatra tsara ny dikany sy manao zavatra mifanaraka aminy, Ary nijoro ho vavolombelona ny maha mpanompo an’i Mohammad (S.A.W) sy ny hafatra Noéntiny, ary nanaiky ny maha mpanompo an’i Jesoa sy ny hafany. Ary Allah no namorona Azy (Jesoa) tamin'ny filazana hoe "misia" ka dia nisy izy, ary izy dia iray amin'ireo fanahy noforonin'I Allah. Ary nanala ny reniny tamin’ny fanendrikendrehana nataon'ireo Jiosy taminy. Nino koa izy fa tena misy marina ny Paradisa, ary tena misy ny Afobe, mino ny fisian'izy roa, ary izy roa no fahasambarana sy fampijaliana avy amin’I Allah. Ary maty tamin’izany izy; dia ho any amin’ny Paradisa ny làlan-kizorany, na dia nanao tsirambina amin’ny fankatoavana aza izy ary misy fahotana.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Allah no namorona an’i Jesoa zanak’i Maria, tamin’ny alalan'ny teny hoe “misia” fa tsy tamin'ny fananan-dray.
  2. Ny fitambaran’ny hoe i Jesoa sy Mohammad dia mpanompon’Allah sy irany, satria izy roa dia samy iraka tsy mandainga ary mpanompo tsy ivavahana.
  3. Ny valisoa azo amin'ny fanokanana an'I Allah sy ny famafany ny ota, ary ny fiafaran'nympanokana an'I Allah dia ny Paradisa, na dia tafalatsaka ao anaty fahotana sasany aza izy.