عَنْ جَابِرٍ رضي الله عنه قَالَ:
أَتَى النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ رَجُلٌ فَقَالَ: يَا رَسُولَ اللهِ، مَا الْمُوجِبَتَانِ؟ فَقَالَ: «مَنْ مَاتَ لَا يُشْرِكُ بِاللهِ شَيْئًا دَخَلَ الْجَنَّةَ، وَمَنْ مَاتَ يُشْرِكُ بِاللهِ شَيْئًا دَخَلَ النَّارَ»
[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 93]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Jàbir (R.A) Niteny hoe :
Nisy lehilahy iray tonga teo anatrehan'ny Mpaminany (S.A.W) ka Niteny Izy nanao hoe : O ! ry Irak'Allah, Inona ireo adidy lehibe roa? namaly izy ka nanao hoe : " Izay maty tsy nanambatra fanompoana an'i Tompo Allah tamin'ny zavatra hafa dia miditra ao amin'ny Paradisa, ary izay maty ka nanambatra fanompoana an'i Allah amin'ny zavatra hafa dia miditra ao amin'ny Afobe "
[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 93]
Nisy lehilahy iray nanontany an'i Mpaminany (S.A.W) mahakasika zavatra roa : izay mandidy ny fidirana amin'ny Paradisa, sy izay zavatra mandidy ny fidirana amin'ny Afobe ? Dia namaly izy (S.A.W) : Fa ny zavatra izay mandidy ny fidirana amin'ny Paradisa dia ny fahafatesan'Olona iray manompo an'i Allah tokana ka tsy manakambana Azy amin'ny zavatra hafa, Ary ny zavatra izay mandidy ny fidirana amin'ny Afobe dia ny fahafaatesan'Olona iray nanakambana an'i Tompo Allah ka nataon'i Tompo Allah manana mpifaninana sy tahaka Azy amin'ny maha Zanahary Azy na koa amin'ny maha-Tompo Azy na koa amin'ireo anarany sy ireo lazany.