عَنْ مُعَاذٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ، قَالَ:
كُنْتُ رِدْفَ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ عَلَى حِمَارٍ يُقَالُ لَهُ عُفَيْرٌ، فَقَالَ: «يَا مُعَاذُ، هَلْ تَدْرِي حَقَّ اللَّهِ عَلَى عِبَادِهِ، وَمَا حَقُّ العِبَادِ عَلَى اللَّهِ؟»، قُلْتُ: اللَّهُ وَرَسُولُهُ أَعْلَمُ، قَالَ: «فَإِنَّ حَقَّ اللَّهِ عَلَى العِبَادِ أَنْ يَعْبُدُوهُ وَلا يُشْرِكُوا بِهِ شَيْئًا، وَحَقَّ العِبَادِ عَلَى اللَّهِ أَنْ لا يُعَذِّبَ مَنْ لا يُشْرِكُ بِهِ شَيْئًا»، فَقُلْتُ: يَا رَسُولَ اللَّهِ أَفَلاَ أُبَشِّرُ بِهِ النَّاسَ؟ قَالَ: «لا تُبَشِّرْهُمْ، فَيَتَّكِلُوا».
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 2856]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Mouazy (R.A), Niteny hoe :
Nitaingina tao aorian'ny Mpaminany (S.A.W) Aho tamin'ny apondra antsoina hoe : Oufair, dia Niteny Tamiko Izy ny hoe : " O ! Ry Moua'zh, fantatrao va inona ny Zon'i Allah amin'ireo mpanompony, ary inona ihany koa ny Zon'ireo mpanompony amin'i Allah ? " ka Namaly Aho : Tompo Allah sy ny Irany ihany no mahalala izany, ary Niteny Izy ka nanao hoe : fa ny Zon'i Allah amin'ny mpanompony dia ny manompo Azy ary tsy manambatra Azy amin'ny zavatra hafa, ary ny Zon'ireo mpanompo amin'i Allah dia tsy manasazy an'izay tsy manambatra Azy amin'ny zavatra hafa na dia kely aza ", ka hoy Aho manao hoe : O ! Ry Iraka'Allah moa va tsy holazaiko amin'ny olona rehetra izany? Dia namaly izy (S.A.W) ka nanao hoe : "Aza ambara fa manjary miankin-doha amin'izany avokoa izy ireo ".
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 2856]
Manazava i Mpaminany (S.W.A) ny Zon'i Allah amin'ny mpanompony, sy ny Zon'ireo mpanompo amin'i Allah, ary ny Zon'i Allah amin'ireo mpanompony dia ny fanompoana Azy irery ihany ka tsy hatambatra amin'ny zavatra hafa, Ary tena marina fa ny Zon'ireo mpanompo amin'i Allah dia tsy ny fanasaziany ireo mpanokana Azy amin'ny fanompoana ary tsy mba manambatra Izy amin'ny zavatra hafa. Avy eo Mouaz Niloam-bava ka Niteny ny hoe : O ! Ry Irak'Allah moa va tsy holazaiko amin'olona rehetra izany mba hifalian'izy ireo amin'izany fahasoavana lehibe sy goavana izany ? Ka nosakana'ny Mpaminany (S.A.W) izy mba tsy hianki-doha ny amin'izany