Lisitr'ireo Hadith

Tsy misy harerahana, na aretina, na adisaina, na halahelo, na haratsiana, na fahoriana mafy mahazo ny mpino silamo, eny na dia ny tsindrona tsilo mahazo azy aza, afa-tsy hoe hamafan'I Allah ampahany amin'ny fahotany izany
عربي الإنجليزية الأوردية
Tsy misy olona mijoro ho vavolombelona marina avy ao am-pony fa tsy misy tompo afa-tsy Allah ary i Mouhammad no irak'Allah, afa-tsy ataon'i Allah fady azy ny Afobe
عربي الإنجليزية الأوردية
fa ny Zon'i Allah amin'ny mpanompony dia ny manompo Azy ary tsy manambatra Azy amin'ny zavatra hafa, ary ny Zon'ireo mpanompo amin'i Allah dia tsy manasazy an'izay tsy manambatra Azy amin'ny zavatra hafa na dia kely aza
عربي الإنجليزية الأوردية
Izay maty tsy nanambatra fanompoana an'i Tompo Allah tamin'ny zavatra hafa dia miditra ao amin'ny Paradisa, ary izay maty ka nanambatra fanompoana an'i Allah amin'ny zavatra hafa dia miditra ao amin'ny Afobe
عربي الإنجليزية الأوردية
Tena marina tokoa fa i Tompo Allah dia hametraka Lehilahy iray eo anatrehan'ny zavaboary rehetra izay nohariany amin'ny Andro farany
عربي الإنجليزية الأوردية
O ry Irak'Allah !, Tsy misy haratsina na koa fahotana afa-tsy hoe Nataoko avokoa, Namaly i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Tsy efa nijoro vavolom-belona fa tsy misy Tompo afa-tsy i Tompo Allah ary i Mouhammadi dia Irak'Allah va Ianao ?
عربي الإنجليزية الأوردية
Ny asa rehetra dia miisa Enina, ary ny olona rehetra dia miseho amin'ny endrika Efatra, ary misy didy roa sy ohatra roa, ary ny valisoa dia hampitombona folo avo heny, ary asa soa dia eo amin'ny fiton-jato
عربي الإنجليزية الأوردية
Teneno ny hoe : Là ilàha illalloahou = izany hoe : Tena marina fa tsy misy Tompo mendrika ho tompoina afa-tsy i Allah irery ihany, fa izany teny izany no hijoroko vavolom-belona ho Anao amin'ny Andro farany
عربي الإنجليزية الأوردية