+ -

عَنْ خُرَيْمِ بْنِ فَاتِكٍ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«الْأَعْمَالُ سِتَّةٌ، وَالنَّاسُ أَرْبَعَةٌ، فَمُوجِبَتَانِ، وَمِثْلٌ بِمِثْلٍ، وَحَسَنَةٌ بِعَشْرِ أَمْثَالِهَا، وَحَسَنَةٌ بِسَبْعِ مِائَةٍ، فَأَمَّا الْمُوجِبَتَانِ: فَمَنْ مَاتَ لَا يُشْرِكُ بِاللهِ شَيْئًا دَخَلَ الْجَنَّةَ، وَمَنْ مَاتَ يُشْرِكُ بِاللهِ شَيْئًا دَخَلَ النَّارَ، وَأَمَّا مِثْلٌ بِمِثْلٍ: فَمَنْ هَمَّ بِحَسَنَةٍ حَتَّى يَشْعُرَهَا قَلْبُهُ، وَيَعْلَمَهَا اللهُ مِنْهُ كُتِبَتْ لَهُ حَسَنَةً، وَمَنْ عَمِلَ سَيِّئَةً، كُتِبَتْ عَلَيْهِ سَيِّئَةً، وَمَنْ عَمِلَ حَسَنَةً فَبِعَشْرِ أَمْثَالِهَا، وَمَنْ أَنْفَقَ نَفَقَةً فِي سَبِيلِ اللهِ فَحَسَنَةٌ بِسَبْعِ مِائَةٍ، وَأَمَّا النَّاسُ، فَمُوَسَّعٌ عَلَيْهِ فِي الدُّنْيَا مَقْتُورٌ عَلَيْهِ فِي الْآخِرَةِ، وَمَقْتُورٌ عَلَيْهِ فِي الدُّنْيَا مُوَسَّعٌ عَلَيْهِ فِي الْآخِرَةِ، وَمَقْتُورٌ عَلَيْهِ فِي الدُّنْيَا وَالْآخِرَةِ، وَمُوَسَّعٌ عَلَيْهِ فِي الدُّنْيَا وَالْآخِرَةِ».

[حسن] - [رواه أحمد] - [مسند أحمد: 18900]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Khouraim Ibn Fatik (R.D), Niteny : Niteny i Mpaminany (S..W,A) manao hoe :
" Ny asa rehetra dia miisa Enina, ary ny Olona rehetra dia miseho amin'ny endrika Efatra, ary misy didy roa sy ohatra roa, ary ny valisoa dia hampitombona folo avo heny, ary asa soa dia eo amin'ny fiton-jato , fa ny didy roa dia : Izay Maty ka tsy nanakambana an'i Tompo Allah amin'ny zavatra-hafa dia izany Olona izany dia hiditra amin'ny Paradisa, fa izay Maty ka nanakambana an'i Tompo Allah amin'ny zavatra-hafa dia ireny kosa dia hiditra amin'ny Afobe, fa ny mitovy dia izay miheritreritra Hanao asa soa ka tsapany avy ao Am-pony dia ahazoana valisoa iray izany, fa izay Manao asa ratsy kosa dia ahazo valiny iray monja ihany, fa izay Manao asa soa dia mahazo folo, fa izay mamoaka amin'ny làlan'ny Tompo Allah dia ahazo valiso fiton-jato. Fa ny Olombelona dia : Misy manana eto an-tany ary mahantra any amin'ny Andro farany, ary mahantra eto an-tany Sambatra any an-koatra, ary Sahirana eto an-tany sy any ankoatra ary misy koa ny Sambatra eto an-tany sy any ankoatra".

[Tsara] - [Notantarain'i Ahmad]

Ny fanazavana

Nampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny asa dia misy karazany Enina, ary ny Olombelogna mizara Efatra. Fa ny asa Enina dia ireto avy :
Voalohany : izay Maty ka tsy nanakambana an'i Tompo Allah amin'ny zavatra-hafa dia lasa voadidy Aminy ny miditra amin'ny Paradisa.
Faha-Roa : Izay Maty amin'ny fanakambanana an'i Tompo Allah amin'ny zavatra-hafa na dia kely aza dia lasa voadidy Aminy avy hatrany ny miditra ao amin'ny Afobe.
Izy roa ireo no antsoina hoe : Didy anaki-roa.
Faha-Telo : ny asa soa nokasaina. Raha misy Olona mikasa ny hanao asa soa ary tena marina amin'ny fikasany mandra-pahatsapany izany ao am-pony ary fantatran'i Tompo Allah avy aminy izany fikasana izany, avy eo misy zavatra miseho Aminy ka tsy nahafahany manao izany, dia voasoratra ho hatsarana feno ho Azy ihany izany na dia mbola tsy Nataony aza.
Faha-Efatra : Ny ratsy vita, izay Manao ratsy, dia fahotana iray ihany no hosoratana ho Azy manoloana an'izany.
Izy roa : izay natao ihany no ho azony fa tsy misy fitombohany.
Ary faha-Dimy : Ny asa soa iray dia mitombo folo avo heny, izany dia ho an'izay rehetra nikasa hanao asa soa ka notanterahiny; dia ho soratana hatsarana folo avy hatrany no hazony.
Faha-Enina : Ny asa soa dia mitovy amin'ny asa soa fiton-jato, ary izay namoaka fanomezana iray monja amin'ny làlan'i Tompo Allah, ary izany asa soa izany dia voasoratra ho asa soa fiton-jato ho azy, ary izany dia avy amin'ny fahasoavan'i Tompo Allah sy fahalalahan-tanan'ny amin'ireo Mpanompony.
Fa ireo karazan'Olona Efatra kosa dia ireto avy :
Ny voalohany : Izay manana vatsy eto an-tany, ary voatahy amin’izany, dia mahazo izay tiany, saingy voafefy any an-koatra ary any amin’ny Afobe no alehany. Izany dia mpanankarena tsy Mpino.
Ny faha-Roa: ilay tery ny fivelomany eto an-tany, nefa midadasika ho Azy izany any an-koatra, ary any amin’ny Paradisa no alehany, izany dia lazaina fa Mpino mahantra.
Ny faha-Telo : Izay ory eto an-tany sy any ankoatra, izy dia lasa Olona mahantra sady tsy Mpino.
Ny faha-Efatra : Izay manana eto an-tany sy ny any ankoatra, ary izany indrindra no lazaina fa Mpino manankarena. +

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Bosnia Sinhala India Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia Malayalamia Teljo saohilia Birmana Tailandia Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Azerianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fahasoavana lehibe avy amin’I Tompo Allah ialy avo Tsitoha ho amin’ny Mpanompony sy ny fampitomboana ny asa soa Ataony.
  2. Ny fahamarinan’i Tompo Allah sy ny fahalalahan-tànany, araka ny itsarany Antsika amim-pahamarinana amin’ny asa ratsy vita, dia iray ihany ny tambin’izany asa ratsy izany.
  3. Halebeazan'ny fanakambanana an'i Tompo Allah amin'ny zavatra-hafa, ka avy amin'izany no mahavoarara ny fidirana ao amin'ny Paradisa.
  4. Fanazavana momba ny fahasoavan'ny fanomezana amin'ny làlan'ny Tompo Allah.
  5. Fampitomboana ny valisoa azo amin’ny fandaniana amin'ny làlan'i Tompo Allah dia manomboka amin’ny fito-njato; Satria manampy amin’ny fampiakarana ny Tenin’i Tompo Allah izany.
  6. Fanazavana ireo karazan'Olona sy ny mahasamihafa Azy.
  7. Misokatra ho an’ny Mpino sy ho an’Olona tsy Mpino ny fiainana tsara eto an-tany, Saingy ny Mpino ihany no mahazo fiainana tsara any an-koatra.