+ -

عَن أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ: قَالَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«يَأْتِي الشَّيْطَانُ أَحَدَكُمْ فَيَقُولُ: مَنْ خَلَقَ كَذَا؟ مَنْ خَلَقَ كَذَا؟ حَتَّى يَقُولَ: مَنْ خَلَقَ رَبَّكَ؟ فَإِذَا بَلَغَهُ فَلْيَسْتَعِذْ بِاللهِ وَلْيَنْتَهِ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 3276]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abou Horaira (RA), Niteny ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.W.A) manao hoe :
“ Manatona ny iray Aminareo i Satana ka Miteny manao hoe : Iza no Nahary izao sy izao ? Iza no Namorona izao sy izao ? Mandra-pilazany hoe : Iza no Nahary ny Tomponao ? Koa rehefa tonga amin'izany izy, dia aoka hitady fiarovana amin’i Tompo Allah Ianao ary hitsahatra avy hatrany ".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Mampahafantantra momba ny fitsaboana mahomby amin'ireo fanontaniana betsaka izay bitsibihin'i Satana amin'ny Mpino i Mpaminany (S.W.A). Dia hilaza i Satana : Iza no Nahary izao sy izao ? Iza no Namorona izao sy izao ? Iza no Namorona ny Lanitra ? Iza no Namorona ny Tany ? Dia hamaly Azy ny Mpino amin'ny valiny ara-mpinoana sy ara-natiora ary ny ara-tsaina amin'ny Teniny hoe : Allah, Saingy tsy mijanona eo amin’io fetra io anefa i Satana, fa mandroso hatrany mandra-pilazany hoe : Iza no Nahary ny Tomponao ? Fa rehefa tonga amin'izany dia manosika ilay bitsibitsika amin'ny zavatra telo ny Mpino Islamo :
Amin'ny finoana an'i Tompo Allah.
Ary fangatahana fiarovana amin'i Tompo Allah manoloana ireo Satana.
Ary fitsaharana amin'ireo fanontaniana maro izay mitondra makany amin'ny fakam-panahy.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Bosnia Sinhala India Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia Malayalamia Teljo saohilia Birmana Tailandia Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Azerianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fanomezan-damosina ny bitsibitsiky ny Satana sy ny voka-dratsiny ary ny tsy fiheritreretana Azy, fitodihana amin'i Tompo Allah ilay Avo Tsitoha mba hanala Azy.
  2. Izay rehetra miditra ao am-pon’ny Olona iray izay mifanipaka amin'ny lalàna dia avy amin’i Satana.
  3. Fandrarana ny fandinihana an’i Tompo Allah, ary mampirisika amin'ny fandinihana ireo zavaboariny sy ny izay rehetra famantarana Azy.