+ -

عَنِ ابْنِ عَبَّاسٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُمَا قَالَ:
قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ لِمُعَاذِ بْنِ جَبَلٍ، حِينَ بَعَثَهُ إِلَى الْيَمَنِ: «إِنَّكَ سَتَأْتِي قَوْمًا أَهْلَ كِتَابٍ، فَإِذَا جِئْتَهُمْ فَادْعُهُمْ إِلَى أَنْ يَشْهَدُوا أَنْ لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ، وَأَنَّ مُحَمَّدًا رَسُولُ اللهِ، فَإِنْ هُمْ أَطَاعُوا لَكَ بِذَلِكَ، فَأَخْبِرْهُمْ أَنَّ اللهَ قَدْ فَرَضَ عَلَيْهِمْ خَمْسَ صَلَوَاتٍ فِي كُلِّ يَوْمٍ وَلَيْلَةٍ، فَإِنْ هُمْ أَطَاعُوا لَكَ بِذَلِكَ، فَأَخْبِرْهُمْ أَنَّ اللهَ قَدْ فَرَضَ عَلَيْهِمْ صَدَقَةً تُؤْخَذُ مِنْ أَغْنِيَائِهِمْ فَتُرَدُّ عَلَى فُقَرَائِهِمْ، فَإِنْ هُمْ أَطَاعُوا لَكَ بِذَلِكَ، فَإِيَّاكَ وَكَرَائِمَ أَمْوَالِهِمْ، وَاتَّقِ دَعْوَةَ الْمَظْلُومِ، فَإِنَّهُ لَيْسَ بَيْنَهُ وَبَيْنَ اللهِ حِجَابٌ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 1496]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i IBN ABBAS (R.a), niteny ka nanao hoe :
Niteny i Mpaminany (S.A.W) rehefa nandefa an'i Moaz Ibn JABAL tany Yamen manao hoe : "ianao dia ho tonga eo anatrehan'ireo vahoaka olon'ny boky, ka rehefa tonga eo amin'izy ireo ianao dia antsoy mba hijoro vavolombelona fa tsy hanompo afa-tsy I Allah ary i Mohammad no irak'I Allah, ka rehefa nanaiky izany izy ireo, dia lazao amin'izy ireo fa I Allah no nandidy azy ireo vavaka in-dimy isan'andro, rehefa nankatoa izany, dia lazao fa I Allah nandidy ny famoahana ny fananan'ny mpanan_karena omen'ny mahantra eo amin'izy ireo, raha efa nankatoa izany dia mitandrema ianao amin'ny fananan'izy ireo, ary matahora ny vavaky ny olona voambaka, satria tsy misy mpanelanelana eo aminy sy ny tompo Allah".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Rehefa nandefa an'i Moaz Ibn JABAL (R.A) any Yamen i Mpaminany (S.A.W) ho mpiantso ny olona sy mpampianatra , dia nohazavainy fa izy dia hihaona amin'ireo vahoaka Kristiana, mba hiomanany amin'izany, ka hanomboka ilay fiantsoana amin'ny tena zava-dehibe izay vao manarak'izany. Ka hiantso azy ireo amin'ny famolavolana ny foto-pinoana aloha, amin'ny alàlan'ny fijorona vavolombelona fa tsy hanompo afa-tsy I Allah, ary i Mohammad (S.A.W) no irak'I Allah; Satria amin'ny alàlan'ny fitenenana izany no hidiran'izy ireo amin'ny finoana silamo, ka raha nampanarahin'izy ireo fanompoam_pivavahana izany, satria ny fanompoam_pivavahana no adidy goavana indrindra aorian'ny finoana sy fanokanana an'I Allah. Ka rehefa tanteraka izany, dia nodidina ny mpanan_karena amin'izy ireo hamoaka ny Zakat amin'ny harenany haverina any amin'ny mahantra, ka norarany ny fakana harena ankoatr'izay, satria izay ihany no voadidy. Avy eo dia nanariny mba hiataka ny fanambakana, mba tsy hanaovan'ilay voambaka fangatahana ratsy ho azy, Satria ny fa,gatahana ataon'ny voamabaka dia mivaly avy hatrany.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Azerianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Dikan'ny fijoroana vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy i Allah dia fanokanana ny fanompoana ho an'I Allah irery ihany, ary fanambelana ireo fanompoana hafa ankoatra izany.
  2. Dikan'ny fijoroana vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy i Allah dia fanokananao ny fanompoana ho an'i Allah irery ihany, ary fanambelanao fanompoana hafa ankoatray.
  3. Ny firesahana amin'ny olona manam-pahalalana dia tsy mitovy amin'ny olona tsy manam-pahalalana; izany no nahatonga an'ny Mpaminany (S.A.W) nilaza mialoha an'i Moaz hoe : "Hihaona amin'ny vahoaka olon'ny boky ianao".
  4. Maha zava_dehibe ny fahaizan'ny mpino ny finoany, mba hialany amin'ireo fanosora_potaka ataon'ny mpanaratsy, ka izany azo avy amin'ny fitadiavana ny fahalalana.
  5. Tsy manan-kery intsony ny finoan'ireo jiosy sy ny Kristiana aorin'ny fahatongavan'ny Mpaminany (S.A.W), ary izy ireo dia tsy isan'ireo olona avotra amin'ny andro fitsarana raha tsy miditra ao amin'ny finoana silamo, sy mino an'ny Mpaminany (S.A.W).
Fanampiny