عَنِ ابْنِ مَسْعُودٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ، قَالَ:
قَالَ رَجُلٌ: يَا رَسُولَ اللهِ، أَنُؤَاخَذُ بِمَا عَمِلْنَا فِي الْجَاهِلِيَّةِ؟ قَالَ: «مَنْ أَحْسَنَ فِي الْإِسْلَامِ لَمْ يُؤَاخَذْ بِمَا عَمِلَ فِي الْجَاهِلِيَّةِ، وَمَنْ أَسَاءَ فِي الْإِسْلَامِ أُخِذَ بِالْأَوَّلِ وَالْآخِرِ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 6921]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Mas'ond (R.A), Niteny Izy ka nanao hoe :
Niteny lehilahy iray ka nanao hoe : Oh ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah, Moa va ho sazina tokoa Izahay amin'ireo zava-bitanay tamin'ny vanim-potoanan'ny habadoana ? Namaly i Mpaminany (S.A.W) ka nanao hoe : " izay nanao tsara tato amin'ny Finoana Islam dia tsy ho voasazy noho ny nataony tamin'ny vanom-potoanan'ny habadoana, ary izay nanao ratsy tamin'ny Finoana Islam dia ho voasazy tamin'izay nataony tamin'ny voalohany sy ny farany ".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 6921]

Ny fanazavana

Manazava i Mpaminany (S.A.W ) ny hatsarana amin'ny fidirana ao amin'ny Finoana Islam. Ary izay nandray ka niditra nanaraka ny Finoana Islam ary nankatsara ny finoany no sady madio fo sy marina; dia tsy anisany ireo izay ho tsaraina amin'ny fahotana nataony izy nandritra ny vanom-potoanan'ny habadoana izay nanaovany izany fahotana sy fahadisoana izany. Ary izay nanaratsy ny fitondran-tenany tato amin'ny finoana Islam ka nihatsaravelatsihy na koa nivadi-pinoana ka niala amin'ny finoana Islam; dia ho tsaraina amin'izay rehetra vitany tamin'ny tsy finoany sy izay rehetra nataony tato amin'ny Finoana Islam.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny mahazava-dehibe ny fiasan-dohan'ireo Mpiaradian'ny Mpaminany rehetra (R.A) sy tahotran' izy ireo amin' izay rehetra efa nivitan' izy ireo teo amin'ny fiainana tamin'ny vanim-potoanan'ny habadoana.
  2. Ny famporisiana feno amin'ny fifikirana amin'ny fomba rehetra ny Finoana Islam.
  3. Fahasoavan'ny fidirana amin'ny finoana Islam ary izany dia manadio tanteraka ireo asa-bita rehetra teo aloha.
  4. Ireo mpivadi-pinoana sy ireo mpihatsaravelatsihy dia ho tsaraina izy ireo amin'izay rehetra nataon'izy ireo tamin'ny vanim-potoanan'ny habadoana, ary ny fahotana rehetra izay nataon'izy ireo tato amin'ny Finoana Islam.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (66)
Fanampiny