Ireo sokajy amin'ny sampantsampany

Lisitr'ireo hadith

Ny Imany na ny finoana dia manana ampana fitopolo na koa Enimpolo mahery - fa ny tsara indrindra amin'izany dia ilay teny hoe "Là ilàha illal-làloahou, ary ny ambany indrindra amin'izany dia fanalana izay rehetra mety mandratra ny olona eny amin'ny làlana
عربي Anglisy Ordo
Na iza na iza eo Aminareo mahita zava-dratsy manadalo sy miseho, dia aoka Izy hanala sy hanova izany amin’ny Tànany, fa raha tsy vitany kosa ny hanova izany dia aoka hataony amin’ny Lelany, ary raha mbola tsy vitany ihany koa dia aoka hataony amin’ny Fony izany fanobana izany, ary izany no tena malemy sy ambany indrindra eo amin’ny Finoana
عربي Anglisy Ordo
izay nanao tsara tato amin'ny Finoana Islam dia tsy ho voasazy noho ny nataony tamin'ny vanom-potoanan'ny habadoana, ary izay nanao ratsy tamin'ny Finoana Islam dia ho voasazy tamin'izay nataony tamin'ny voalohany sy ny farany
عربي Anglisy Ordo
Ny mpino silamo dia izay mampilamina ny mpino silamo namany amin'ny lelany sy ny tanany, ary ny mpifindra monina dia izay nisitaka ireo zavatra noraran'Allah
عربي Anglisy Ordo
izahay dia mahatsapa zavatra mavesatra amin'ny Tenanay ny hiresaka izany, Niteny i Mpaminany (S.W.A) : " efa nahazo Anareo ve izany ? " Namaly izy ireo: Eny, Hoy Izy : " izany no fahamarinan'ny finoana
عربي Anglisy Ordo
Ny finoana dia ho simba tsikelikely ao am-pon'iray Aminareo tahaka ny fahasimban'ny lamba tonta, ka mangataha amin'i Tompo Allah Ianareo mba hanavao ny finoana izay ao am-ponareo
عربي Anglisy Ordo