عَنْ عَبْدِ اللَّهِ بْنِ عَمْرِو بْنِ الْعَاصِ رضي الله عنهما قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«إِنَّ الْإِيمَانَ لَيَخْلَقُ فِي جَوْفِ أَحَدِكُمْ كَمَا يَخْلَقُ الثَّوْبُ الْخَلِقُ، فَاسْأَلُوا اللَّهَ أَنْ يُجَدِّدَ الْإِيمَانَ فِي قُلُوبِكُمْ».

[صحيح] - [رواه الحاكم والطبراني] - [المستدرك على الصحيحين: 5]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abdoullahi Ibn Amrou Ibn Al-Aasi (R.A), fa Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
" Ny finoana dia ho simba tsikelikely ao am-pon'iray aminareo tahaka ny fahasimban'ny lamba tonta, ka mangataha amin'i Tompo Allah Ianareo mba hanavao ny finoana izay ao am-ponareo ".

[Mari-pototra] - [Notantarain'i Al-Hàkim sy Al-Tabaràni] - [Al-Mostadrak àla As-Sahìhayn - 5]

Ny fanazavana

Milaza sy mampafantatra i Mpaminany (S.A.W) fa ny finoana dia ho simba tsikelikely ao am-pon'ny Mpino iray ary mihamarefo sy malemy tahaka ny lamba vao iray rehefa efa ela dia ela ny nampiasaina azy; Ary izany dia noho ny tsy fahampian'ny fanompoana, na koa vokatrin'ny fanatanterana ireo fahotana ary ny filomanosana ao anaty fahafinaretana. Nanome toromarika Antsika i Mpaminany (S.A.W) mba hangataka amin’i Allah ny mba hanavao ny finoantsika, amin’ny fanaovana sy fanatanterahana an'ireo didy, sy ny fahatsiarovana Azy matetika ary ny fangatahana famelan-keloka Aminy.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Famporisihana ny mba hangataka amin’i Allah ny mba hanamafisany fatratra ny fiorenana sy hanavaozany ny finoana ao Am-po.
  2. Ny finoana dia teny sy asa ary fitokisana, mitombo amin'ny alàlan'ny fankatoavana ary mihena amin'ny fahotana.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (65)
Fanampiny