+ -

عَنْ عَبْدِ اللَّهِ بْنِ عَمْرِو بْنِ الْعَاصِ رضي الله عنهما قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«إِنَّ الْإِيمَانَ لَيَخْلَقُ فِي جَوْفِ أَحَدِكُمْ كَمَا يَخْلَقُ الثَّوْبُ الْخَلِقُ، فَاسْأَلُوا اللَّهَ أَنْ يُجَدِّدَ الْإِيمَانَ فِي قُلُوبِكُمْ».

[صحيح] - [رواه الحاكم والطبراني] - [المستدرك على الصحيحين: 5]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abdoullahi Ibn Amrou Ibn Al-Aasi (R.D), fa Niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe :
" Ny finoana dia ho simba tsikelikely ao am-pon'iray Aminareo tahaka ny fahasimban'ny lamba tonta, ka mangataha amin'i Tompo Allah Ianareo mba hanavao ny finoana izay ao am-ponareo ".

[Mari-pototra] - [Notantarain'i Al-Hàkim sy Al-Tabaràni]

Ny fanazavana

Milaza sy mampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny finoana dia ho simba tsikelikely ao am-pon'ny Mpino iray ary mihamarefo sy malemy tahaka ny lamba vao iray rehefa efa ela dia ela ny nampiasaina Azy; Ary izany dia noho ny tsy fahampian'ny fanompoana, na koa vokatrin'ny fanatanterana ireo fahotana ary ny filomanosana ao anaty fahafinaretana. Nanome toromarika Antsika i Mpaminany (S.W.A) mba hangataka amin’i Tompo Allah ny mba hanavao ny finoantsika, amin’ny fanaovana sy fanatanterahana an'ireo didy, sy ny fahatsiarovana Azy matetika ary ny fangatahana famelan-keloka Aminy.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia Malayalamia Teljo saohilia Birmana Tailandia Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Azerianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Famporisihana ny mba hangataka amin’i Tompo Allah ny mba hanamafisany fatratra ny fiorenana sy hanavaozany ny finoana ao Am-po.
  2. Ny finoana dia teny sy asa ary fitokisana, mitombo amin'ny alàlan'ny fankatoavana ary mihena amin'ny fahotana.
Fanampiny