+ -

عن أبي هريرة رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم:
«الْإِيمَانُ بِضْعٌ وَسَبْعُونَ -أَوْ بِضْعٌ وَسِتُّونَ- شُعْبَةً، فَأَفْضَلُهَا قَوْلُ لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ، وَأَدْنَاهَا إِمَاطَةُ الْأَذَى عَنِ الطَّرِيقِ، وَالْحَيَاءُ شُعْبَةٌ مِنَ الْإِيمَانِ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 35]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Ny Imany na ny finoana dia manana ampana fitopolo na koa Enimpolo mahery - fa ny tsara indrindra amin'izany dia ilay teny hoe "Là ilàha illal-làloahou, ary ny ambany indrindra amin'izany dia fanalana izay rehetra mety mandratra ny olona eny amin'ny làlana ary ny fananana ny henatra dia anisan'ny finoana".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Mampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny finoana dia misy sampana sy fizarana maro, ka tafiditra ao ny asa sy ny foto-pinoana ary ny teny.
Ary ny avo sy tsara indrindra amin'izany dia ny fitenenana : "Là ilàha illal-làhou", mahalala tsara ny dikany, manatanteraka ireo asa takiany, izany hoe : izy Allah no tompo tokana mendrika ho tompoina ary tsy misy ny ankoatrany.
Ny ambany indrindra amin'ny asan'ny finoana dia ny manala izay rehetra mety manimba sy mandratra ny olona amin'ny làlany.
Avy nampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny fahaizana menatra dia anisany amin'ny finoana, ary izany dia toetra mitarika amin'ny fanaovan-tsoa sy ny famelana ny ratsy.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Kanadianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny finoana dia misy ambaratonga ka ny andaniny dia mendrika kokoa nohon'ny ankilany.
  2. Ny Fanekem-pinoana dia teny sy asa ary foto-pinoana.
  3. Ny fananana ny henatra dia avy amin'ny Tompo Allah ka mitaky : Tsy hahitany anao amin'ireny toerana nadrarany Anao ary hitany mandrakariva amin'ireny toerana izay nandidiny anao.
  4. Filazana ireny isa dia tsy midika fijanonana amin'izany, fa midika ny hamaron'ny asan'ny finoana, satria ny Arabo dia mety hilaza isan-javatra fa tsy mitady fanafoanana ny ankoatr'izany.
Fanampiny