+ -

عن أبي مسعود رضي الله عنه عن النبي صلى الله عليه وسلم قال:
«إِذَا أَنْفَقَ الرَّجُلُ عَلَى أَهْلِهِ يَحْتَسِبُهَا فَهُوَ لَهُ صَدَقَةٌ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 55]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abou Massoudi (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Raha namoaka vola fandaniana ho an'ankohonany ny lehilahy iray ary manantena valisoa avy amin'i Allah dia voasokajy ho Swadakat izany".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Milaza amintsika i Mpaminany (S.A.W) fa raha mandany vola amin’ny ankohonany izay tokony hamelomana azy ny lehilahy iray, toy ny vadiny, ny ray aman-dreniny, ny zanany ary ny hafa, nataony izany ho fanakakaizana an'i Allah ary manantena valisoa avy aminy, dia hahazo ny valisoan'ny Swadakat izy.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Kanadianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fahazoana valisoa ny fiantohana ny ankohonana.
  2. Ny mpino dia manantena hatrany ny valisoa amin'izay zavatra rehetra ataony nohon'ny Tompo Allah, ary hahazo valisoa avy any amin'i Tompo Allah.
  3. Ilaina ny manana finiavana tsara sy madio amin'ny asa soa rehetra atao, ary tafiditra amin'izany fandaniana rehetra amin'ny ankohonana.