عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه قالَ: قالَ رَسُولُ اللَّهِ صلَّى اللَّهُ عليْه وسلَّمَ:
«دِينَارٌ أَنْفَقْتَهُ فِي سَبِيلِ اللهِ، وَدِينَارٌ أَنْفَقْتَهُ فِي رَقَبَةٍ، وَدِينَارٌ تَصَدَّقْتَ بِهِ عَلَى مِسْكِينٍ، وَدِينَارٌ أَنْفَقْتَهُ عَلَى أَهْلِكَ أَعْظَمُهَا أَجْرًا الَّذِي أَنْفَقْتَهُ عَلَى أَهْلِكَ».
[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 995]
المزيــد ...
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe :
“Ny dinara izay laninao tamin’ny làlan’Allah, ny dinara nolanianao tamin’ny andevo iray, ny dinar nomenao ho fiantrana ny mahantra, ary ny dinara izay laninao tamin’ny ankohonanao, ka ny tena hahazoana valisoa lehibe indrindra dia izay nolaninao tamin'ny fianakavianao.”
[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 995]
Nanonona karazana fandaniana sasany ny Mpaminany (S.A.W), ary nilaza hoe : Dinar izay laninao tamin'ny ady masina ho an'I Allah, dinar izay laninao tamin'ny fanafahana ny andevo tamin'ny fanandevozana sy ny fanompoana, dinar iray izay nomenao fiantrana ho an’ny mahantra iray, sy ny dinar iray izay laninao ho an’ny fianakavianao sy ny havanao, avy eo dia nilaza izy fa ny lehibe indrindra amin’izy ireo ary hahazoana valisoa avy amin’I Allah, dia izay nolanianao tamin’ny ankohonanao sy ny fianakavianao ary izay tsy maintsy iantohanao.