عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ أَنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«مَا مِنْ يَوْمٍ يُصْبِحُ العِبَادُ فِيهِ إِلَّا مَلَكَانِ يَنْزِلاَنِ، فَيَقُولُ أَحَدُهُمَا: اللَّهُمَّ أَعْطِ مُنْفِقًا خَلَفًا، وَيَقُولُ الآخَرُ: اللَّهُمَّ أَعْطِ مُمْسِكًا تَلَفًا».
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 1442]
المزيــد ...
Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Tsy misy andro izay hifohazan’ny mpanompo amin’ny maraina, afa-tsy hoe misy anjely roa midina ety an-tany, ka ny anankiray amin’izy ireo miteny hoe : Allah ô, omeo fahasambarana izay manome, ary ny anankiray kosa miteny hoe : Allah ô, omeo fahorina izay mahihitra".
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 1442]
Nanambara ny Mpaminany (S.A.W), fa isan'andro, isaky ny miposaka ny masoandro dia misy anjely roa midina ety an-tany ary miantso, ny iray amin'izy ireo miteny hoe :
Allah ô, omeo fahasambarana izay mandany vola amin’ny fankatoavana, amin’ny ankohonany, amin’ny vahiny, ary amin’ny fanomezana an-tsitrapo, ary omeo soa amin’izay laniny izy, ary tahio izy.
Hoy kosa ny iray : Allah ô, Omeo fahorina izay mahihitra ary aringano ny hareny izay nohazoniny tamin’izay mendrika azy.