1. Ny fototra
  2. Ireo fisokajiana
  3. Ny foto-pinoana

Resaka “Tsy misy na dia iray aza aminareo afa-tsy hoe hiresahan'i Allah mivantana, ary tsy misy mpandika teny

عَنْ عَدِيِّ بْنِ حَاتِمٍ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«مَا مِنْكُمْ مِنْ أَحَدٍ إِلَّا سَيُكَلِّمُهُ اللهُ، لَيْسَ بَيْنَهُ وَبَيْنَهُ تُرْجُمَانٌ، فَيَنْظُرُ أَيْمَنَ مِنْهُ فَلَا يَرَى إِلَّا مَا قَدَّمَ، وَيَنْظُرُ أَشْأَمَ مِنْهُ فَلَا يَرَى إِلَّا مَا قَدَّمَ، وَيَنْظُرُ بَيْنَ يَدَيْهِ فَلَا يَرَى إِلَّا النَّارَ تِلْقَاءَ وَجْهِهِ، فَاتَّقُوا النَّارَ وَلَوْ بِشِقِّ تَمْرَةٍ».

Tatitra azo avy tamin'i Adiy bin Hatim (R.A) niteny; niteny ny mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Tsy misy na dia iray aza aminareo afa-tsy hoe hiresahan'i Allah mivantana, ary tsy misy mpandika teny, ka mijery ny ankavanany izy dia tsy hahitra afa-tsy natolony, ary mijery ny ankavia dia tsy hahita afa-tsy izay natolony, mijery eo anoloany dia tsy mahita afa-tsy ny Afo manatrika ny tavany, koa matahora ny Afo na dia antsasaky amin'ny atrendry aza.

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Moslim - 1016

Ny fanazavana

Nampahafantarin'ny Mpaminany (S.A.W) fa ny mpino rehetra dia tsy maintsy hijoro irery eo anatrehan’I Allah amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty, ary Allah Ilay Tsitoha dia hiresaka aminy tsy misy mpanelanelana, ary tsy misy mpandika teny eo anelanelan’izy roa ka handika ny teniny. Ka mitodika miankavanana sy miankavia izy noho ny tahotra mafy mba hahitany làlana hahavoavonjy azy amin’ny afo izay eo anoloany. Raha mijery ny ilany ankavanana izy dia tsy hahita afa-tsy ny asa soa nataony ihany, Raha mijery ny ilany ankavia izy dia tsy hahita afa-tsy ny asa ratsy nataony ihany, Raha mijery eo anoloany izy dia tsy mahita afa-tsy ny afo, ary tsy afaka miala amin'izany, satria tsy maintsy mandalo amin'ny tetezana izy. Dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : Manàna ianao fiarovana eo aminao sy ny afo amin’ny alàlan'ny fanomezana sy asa soa, na dia amin’ny zavatra kely toy ny antsasaky ny atrendry aza.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

  1. Famporisihana amin'ny famoahana swadaka na dia kely aza, sy fanànana toetra tsara, ary fiaraha-miasa amin’ny fahatsorana sy ny teny malefaka.
  2. Allah Ilay Tsitoha dia ho akaiky ny mpanompony amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty, satria tsy hisy fisalobonana, tsy hisy mpanelanelana, ary tsy hisy mpandika teny eo amin’izy roa koa aoka ny mpino hitandrina amin’ny tsy fanarahana ny didin’ny Tompony.
  3. Tsy tokony hanambany izay fanomezana navoakany ny olona iray, na dia kely aza, satria fiarovana amin’ny afobe izany.

Fanehoana ny dikan-teny

52 Ny Fiteny
EN English الإنجليزية
UR اردو الأوردية
ES Español الإسبانية
ID Indonesia الإندونيسية
BN বাংলা البنغالية
TR Türkçe التركية
RU Русский الروسية
BS Bosanski البوسنية
SI සිංහල السنهالية
HI हिन्दी الهندية
ZH 中文 الصينية
FA فارسی الفارسية
VI Tiếng Việt الفيتنامية
TL Tagalog تجالوج
KU Kurdî الكردية
HA Hausa الهوسا
PT Português البرتغالية
ML മലയാളം المليالم
TE తెలుగు التلغو
SW Kiswahili السواحيلية
TA தமிழ் التاميلية
MY မြန်မာ البورمية
TH ไทย التايلندية
DE Deutsch الألمانية
PS پښتو بشتو
AS অসমীয়া الأسامية
SQ Shqip الألبانية
SV Svenska السويدية
AM አማርኛ الأمهرية
NL Nederlands الهولندية
GU ગુજરાતી الغوجاراتية
KY Кыргызча القيرقيزية
NE नेपाली النيبالية
LT Lietuvių الليتوانية
PRS دری الدرية
SR Српски الصربية
TG тоҷикӣ الطاجيكية
RW Kinyarwanda الكينياروندا
RO Română الرومانية
HU Magyar المجرية
CS Čeština التشيكية
MOS Moore الموري
OM Oromoo الأورومو
KN ಕನ್ನಡ الكانادا
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan الأذربيجانية
UK Українська الأوكرانية
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية