عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه قال: قال رَسُولُ الله صلى الله عليه وسلم:
«إِنَّ اللهَ يَغَارُ، وَإِنَّ الْمُؤْمِنَ يَغَارُ، وَغَيْرَةُ اللهِ أَنْ يَأْتِيَ الْمُؤْمِنُ مَا حَرَّمَ عَلَيْهِ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 2761]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Eny tokoa, fa saro-piaro Allah, ary saro-piaro ihany koa ireo mpino, fa ny fahasaro-piaron'I Allah dia ny fanaovan'ny mpino izay zavatra voarara aminy."

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Moslim - 2761]

Ny fanazavana

Milaza ny Mpaminany (S.A.W) fa saro-piaro sy mankahala ary tsy mankatia I Allah, tahaka ny mpino mahay saro-piaro sy mankahala ary tsy mitia, fa ny antony mahasaro-piaro an'I Allah dia ny fanaovan'ny mpino silamo izay zavatra noraran'I Allah aminy toy ny; fijangajangana sy fanambadianamitovy taovam-pananahana ary ny fangalarana, ny fisotroana toaka, ary ny fahalotoam-pitondran-tena hafa.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fitandremana amin'ny fahatezeran’i Allah sy ny famaizana avy Aminy raha voahitsakitsaka ny fandrarany.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (56)
Fanampiny