+ -

عن أبي هريرة رضي الله عنه: أن رسول الله صلى الله عليه وسلم قال:
«يَنْزِلُ رَبُّنَا تَبَارَكَ وَتَعَالَى كُلَّ لَيْلَةٍ إِلَى السَّمَاءِ الدُّنْيَا حِينَ يَبْقَى ثُلُثُ اللَّيْلِ الْآخِرُ، يَقُولُ: «مَنْ يَدْعُونِي فَأَسْتَجِيبَ لَهُ؟ مَنْ يَسْأَلُنِي فَأُعْطِيَهُ؟ مَنْ يَسْتَغْفِرُنِي فَأَغْفِرَ لَهُ؟».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 1145]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
" Midina eo amin'ny lanitra voalohany isaky ny alina ny tompontsika rehefa tonga ny ampatelon'ny alina farany, avy eo izy dia miteny manao hoe : "Iza no miantso Ahy ka hovaliako? Iza no mangataka amiko ka homeko? Ary iza mangatam-pamelana amiko fa hamela azy aho?".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 1145]

Ny fanazavana

Nanazava i Mpaminany (S.W.A) fa i Allah ilay Avo Tsitoha dia midina amin'ny lanitra voalohany isan'alina rehefa tonga ny ampaha-telo farany amin'ny alina iny, ka mamporisika ny mpanompony rehetra mba hangataka Aminy satria hamaly an'izay mangataka Aminy Izy, ary mamporisika azy ireo hangataka Aminy izay rehetra tiany fa Izy dia hanome an'izay rehetra mangataka aminy. Mamporisika azy ireo Izy mba hangataka famelan-keloka Aminy, satria mamela ny mpanompony mahatoky Izy.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Kanadianina Okranianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fahasoavan'ny ampaha-telo farany amin'ny alina sy ny fanatanterahana ny Soalat ary fangatahana Doa'n sy ny famelan-keloka mandritra izany.
  2. Rehefa mandre io hadith io ny olona iray dia tokony hahay hanararaotra ny fotoana hamaliana ny fitalahoany.