+ -

عَنْ عَبْدِ اللَّهِ بن مسعودٍ رضي الله عنه قَالَ: سَمِعْتُ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَقُولُ:
«إِنَّ مِنْ شِرَارِ النَّاسِ مَنْ تُدْرِكُهُ السَّاعَةُ وَهُمْ أَحْيَاءٌ، وَمَنْ يَتَّخِذُ الْقُبُورَ مَسَاجِدَ».

[حسن] - [رواه أحمد] - [مسند أحمد: 3844]
المزيــد ...

Tatitra avy tamin'i Abdollahi Bin Massod (R.A) ; Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Eny tokoa, anisan’ny olona ratsy indrindra dia ireo izay tratran’ny fahavelomana amin'ny ora farany, sy izay mandray ny fasana ho toeram-pivavahana”.

[Tsara] - [Notantarain'i Ahmad]

Ny fanazavana

Milaza ny Mpaminany (S.A.W) momba ny olona ratsy indrindra, dia ireo tratran'ny fahavelomana amin'ny ora farany, sy ireo olona mandray ny fasana ho toeram-pivavahana, ka mivavaka eo aminy sy mangataka aminy .

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Oromianina Kanadianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fandrarana ny fananganana moske eo ambonin'ny fasana; Satria izany dia làlana mitarika ho amin'ny fanompoan-tsampy.
  2. Fandrarana ny fivavahana any am-pasana, na dia tsy misy trano aza; Satria ny moske dia anaran'ny toerana fiankohofana, eny na dia tsy misy trano aza.
  3. Izay mandray ny fasan’ny olo-mendrika ho moske hivavahana dia anisan’ireo zavaboary ratsy indrindra, na dia mihevitra aza izy fa ny hanatona bebe kokoa an’I Allah Tsitoha no fikasany amin'izany.