+ -

عَنْ عَبْدِ اللَّهِ بْنِ عَمْرٍو رضي الله عنهما قَالَ: قالَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«حَوْضِي مَسِيرَةُ شَهْرٍ، مَاؤُهُ أَبْيَضُ مِنَ اللَّبَنِ، وَرِيحُهُ أَطْيَبُ مِنَ المِسْكِ، وَكِيزَانُهُ كَنُجُومِ السَّمَاءِ، مَنْ شَرِبَ مِنْهَا فَلاَ يَظْمَأُ أَبَدًا».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 6579]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Amrou (R.D), Niteny i Mpaminany (S.W.A) ka nanao hoe :
" Ny doboko (bassin) dia halaviran-dàlana iray volana, fotsy noho ny ronono ny ranony, manitra noho ny misk ny fofony, ary tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra ny zingany, ka izay misotro Aminy dia tsy hangetaheta intsony mandrakizay.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Nilaza i Mpaminany (S.W.A) fa hanana dobo izy amin'ny Andro fitsanganana amin'ny maty, ny halavany dia mitovy amin'ny halaviran-dàlana iray volana ary mitovy amin'izany ihany koa ny sakany. Fotsy noho ny ronono ny ranony. Manitra be ny fofony, tsara noho ny hanitry ny Misky. Ary ny zingany dia tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra noho ny hamaroany. Izay misotro amin'io dobo lehibe io amin'ny alàlan'ireo zinga ireo dia tsy hangetaheta intsony mandrakizay.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Bosnia Sinhala India Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia Malayalamia Teljo saohilia Birmana Tailandia Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Azerianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny dobon'ny Mpaminany (S.W.A) dia fitambaran'ny renirano lehibe izay hierenan'ireo Mpino amin'ny vahoakany amin'ny Andro fitsanganana.
  2. Fahazahoana fahasoavana lehibe ho an'izay misotro amin'ny dobo ka tsy hangetaheta intsony mandrakizay.