+ -

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه قَالَ: سَمِعْتُ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَقُولُ:
«يَقْبِضُ اللَّهُ الأَرْضَ، وَيَطْوِي السَّمَوَاتِ بِيَمِينِهِ، ثُمَّ يَقُولُ: أَنَا المَلِكُ، أَيْنَ مُلُوكُ الأَرْضِ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 4812]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A) niteny hoe : Izaho dia nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :
“Allah mamehy ny tany sy mamehy ny lanitra amin’ny tànany ankavanana, dia hoy Izy : Izaho no Mpanjaka, aiza ireo mpanjakan’ny tany?”

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Manambara ny Mpaminany (S.A.W) fa amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty, dia haka ny tany ary hanangona azy i Allah, ary hamoritra ny lanitra amin'ny tànany ankavanana, ary hamoritra sy hamadibadika azy amin'ny lanitra sasany ka ho levona, avy eo dia miteny izy hoe : Izaho no mpanjaka, aiza ireo mpanjakan'ny tany?

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Indoneziana Aigoria Torkia Bosnia Sinhala India Vietnamiana Kordia Hosia Malayalamia Teljo saohilia Birmana Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fampahatsiahivana fa ny fanjakan’Allah dia mitoetra mandrak'izay fa ny fanjakan’ny hafa dia ho foana.
  2. Ny fahalehibiazan’Allah, ny halehiben’ny heriny, ny fahefany ary ny fahafenoan’ny fanjakany.