+ -

عَنْ عَبْدِ اللهِ بْنِ عَمْرِو بْنِ العَاصِ رضي الله عنهما قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«إِنَّ اللهَ سَيُخَلِّصُ رَجُلًا مِنْ أُمَّتِي عَلَى رُءُوسِ الْخَلَائِقِ يَوْمَ الْقِيَامَةِ، فَيَنْشُرُ عَلَيْهِ تِسْعَةً وَتِسْعِينَ سِجِلًّا، كُلُّ سِجِلٍّ مِثْلُ مَدِّ الْبَصَرِ، ثُمَّ يَقُولُ: أَتُنْكِرُ مِنْ هَذَا شَيْئًا؟ أَظَلَمَكَ كَتَبَتِي الْحَافِظُونَ؟ فَيَقُولُ: لَا يَا رَبِّ، فَيَقُولُ: أَفَلَكَ عُذْرٌ؟ فَيَقُولُ: لَا يَا رَبِّ، فَيَقُولُ: بَلَى إِنَّ لَكَ عِنْدَنَا حَسَنَةً، فَإِنَّهُ لَا ظُلْمَ عَلَيْكَ الْيَوْمَ، فَتُخْرَجُ بِطَاقَةٌ فِيهَا: أَشْهَدُ أَنْ لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ وَأَشْهَدُ أَنَّ مُحَمَّدًا عَبْدُهُ وَرَسُولُهُ، فَيَقُولُ: احْضُرْ وَزْنَكَ، فَيَقُولُ: يَا رَبِّ مَا هَذِهِ الْبِطَاقَةُ مَعَ هَذِهِ السِّجِلَّاتِ؟ فَقَالَ: إِنَّكَ لَا تُظْلَمُ، قَالَ: فَتُوضَعُ السِّجِلَّاتُ فِي كِفَّةٍ، وَالْبِطَاقَةُ فِي كِفَّةٍ، فَطَاشَتِ السِّجِلَّاتُ، وَثَقُلَتِ الْبِطَاقَةُ، فَلَا يَثْقُلُ مَعَ اسْمِ اللهِ شَيْءٌ».

[صحيح] - [رواه الترمذي وابن ماجه] - [سنن الترمذي: 2639]
المزيــد ...

Notaterin'i Abdillah ibn 'Amr ibn Al-'às (R.D), Niteny ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo 'Allah (S.W.A) ka nanao hoe :
" Tena marina tokoa fa i Tompo Allah dia hametraka Lehilahy iray eo anatrehan'ny zavaboary rehetra izay nohariany amin'ny Andro farany , ka dia havelatra eo Aminy ny takelaka sivy ambiny sivifolo, ka isaky ny takelaka dia toy ny fara-taka-maso, avy eo dia ho lazaina Aminy ny hoe : lavinao va ireto, nanao tsy rariny Taminao va ireo Anjely izay mpandray an-tsoratra an'ireo asa izay niandraiketan'izy ireo ? ka Hilaza Izy ka hanao hoe : Tsia Tompoko; ka manana fialantsiny mahakasika ny amin'ny izany va Ianao, dia namaly Izy ka nilaza nanao hoe : Tsia Tompoko, ka noho izany dia ho lazaina Aminy : Eny fa manana tombotsoa iray ety Aminay Ianao, Satria tsy hambakaina Ianao androany, avy eo dia avohaka ny karatra iray izay misy ireo Fijorona vavolombelona fa tsy afaka manompo afa-tsy i Tompo Allah irery ihany ary i Mpaminany Mouhammadi (S.W.A) no Irany, ka lazaina ny hoe : Ento aty ho lanjaina ka hilaza Izy hanao hoe : O Ry Tompo Allah ! Inona no lanjan'ity karatra ity eo anatrehan'ireo takelaka maro be samy hafa ireo, Dia holazaina Aminy ny hoe : Tsy hambakaina Ianao Androany, Nilaza Izy : Natao teo ambonin'ny Mizana fandanjana ireny takelaka ary ny ilany nametrahana ilay Karatra, nipitika ireny takelaka ary navesatra ny karatra ka tsy misy zavatra havesa-danja eo anatrehan'i Tompo Allah mihoatry ny Anaran'i Allah".

[Mari-pototra] - [Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah]

Ny fanazavana

Nampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa i Tompo Allah dia hisafidy Lehilahy iray eo anatrehan'ny zavaboary rehetra amin'ny Andro farany Andron'ny fitsanganana amin'ny maty, ka antsoina ary ho tsaraina, dia aseho azy sivy amin'ny sivifolo takelaka ka izany no pejin'ny asa ratsy izay nataony teto ambonin'ny tany, Ny halavan'ny rakitsoratra tsirairay dia lavitra araka izay hitan'ny maso. Avy eo Miteny i Tompo Allah ilay Avo Tsitoha amin'izany Olona izany ka hanao hoe : Lavinao ve izay rehetra voarakitra ato amin'ireto rakitsoratra ireto ? Nanambaka Anao ve ireo Anjeliko izay mpandray an-tsoratra ? Ka hamaly ilay Olona fa hoe : Tsia ry Tompo. Dia miteny i Tompo Allah ilay Avo Tsitoha ka hanao hoe : Manana fialan-tsiny mazava ve Ianao amin'ireo zavatra rehetra natolotrao tamin'ireo asa rehetra izay nivitanao teny ambonin'ny tany ? Ohatra toy ny fanadinoana sy ny fahadisoana na koa noho ny tsy fahalalana. Hamaly ilay Lehilahy ka Niteny hoe : Tsia ry Tompo, tsy manana fialan-tsiny ami'izany rehetra izany Aho. Dia miteny i Tompo Allah ilay Avo Tsitoha, Marina tokoa fa manana asa soa iray Ianao aty Aminay, ary tsy misy fanambakana hahazo Anao Androany. Nilaza Izy hoe : havoaka eo anatrehany ilay karatra misy soratra hoe : Mijoro vavolom-belona Aho fa tsy misy Tompo afatsy i Tompo Allah, ary mijoro vavolom-belona Aho fa i Mouhammadi (S.W.A) dia mpanompony no sady Irany. Dia miteny i Tompo Allah manao hoe : Ho an'ity Lehilahy ity, ento ny Mizananao. Gaga ilay Lehilahy ka Niteny nanao hoe : Tompo ô ! Inona ny lanjan'ity karatra ity manoloana ireto rakitsoratra ireto ? ! Mamaly i Tompo Allah fa hoe : Tsy misy fanambakana mahazo Anao Androany. Nilaza Izy : ka apetraka izany rakitsoratra maro izany amin'ny ilan'ny Mizana, ary ilay karatra amin'ny ilany; Noho izany dia nihanamaivana ny ilan'ny mizana misy ny rakitsoratra, ary nihozongozona sy navesatra ny ilan'ny mizana misy ny karatra, ka namela azy i Tompo Allah.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Bosnia Sinhala India Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia Malayalamia Teljo saohilia Birmana Tailandia Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Azerianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Halebeazan'ny teny fanokanana ny hoe : Tsy misy Tompo mendrika ho tompoina afa-tsy i Tompo Allah, sy ny vesatr'izany eo amin'ny Mizana.
  2. Tsy mahampy ny fitenenana ny hoe : Tsy misy Tompo mendrika tompoiba afa-tsy i Tompo Allah atao amin' ny lela fotsiny, fa tsy maintsy ananana fahalalana momba izany sy ireo asa izay mifanaraka amin'izany.
  3. Ny fahadiovam-po sy ny tanjan'ny fanokanana izany dia antony lehibe amin'ny famelana ny fahotana sy ny heloka.
  4. Ny finoana dia samihafa ny ao am-po. Misy milaza izany teny izany, nefa ampijalina arakaraky ny fahadisoany sy ny fahotany.