+ -

عَنْ أَبِي ذَرٍّ رضي الله عنه قَالَ:
قُلْتُ: يَا رَسُولَ اللهِ مَا آنِيَةُ الْحَوْضِ؟ قَالَ: «وَالَّذِي نَفْسُ مُحَمَّدٍ بِيَدِهِ لَآنِيَتُهُ أَكْثَرُ مِنْ عَدَدِ نُجُومِ السَّمَاءِ وَكَوَاكِبِهَا، أَلَا فِي اللَّيْلَةِ الْمُظْلِمَةِ الْمُصْحِيَةِ، آنِيَةُ الْجَنَّةِ مَنْ شَرِبَ مِنْهَا لَمْ يَظْمَأْ آخِرَ مَا عَلَيْهِ، يَشْخَبُ فِيهِ مِيزَابَانِ مِنَ الْجَنَّةِ، مَنْ شَرِبَ مِنْهُ لَمْ يَظْمَأْ، عَرْضُهُ مِثْلُ طُولِهِ، مَا بَيْنَ عَمَّانَ إِلَى أَيْلَةَ، مَاؤُهُ أَشَدُّ بَيَاضًا مِنَ اللَّبَنِ، وَأَحْلَى مِنَ الْعَسَلِ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 2300]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abou Zarri (R.D), Niteny ka nanao hoe :
Hoy Aho : Ry Iraka mahafatokin'i Tompo 'Allah ô, inona avy ireo Zinga ny dobo ? dia Namaly Izy ka Niteny hoe : “Mifanta sy mianiana amin'ilay mitazona ny fanahin'i Mouhammad (S.W.A) eo am-pelatànany Aho, ireo Kôpiny dia maro mihoatra ny isan'ny kintan'ny planeta eny an-danitra, rehefa amin'ny alina maizina be, ireo Kôpin'ny paradisa dia izay misotro Aminy dia tsy hangetaheta intsony, ny sakany dia mitovy ny halavany, manelanelan'ny tanànan'ny Ouman sy Aylat, ny ranony tena fotsy noho ny ronono, ary mamy mihoatra ny tantely."

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim]

Ny fanazavana

Nifanta sy nianiana i Mpaminany (S.W.A) fa ny Zinga ao amin'ny dobony amin'ny Andro farany dia ho betsaka noho ny isan'ny kintana sy ny planeta eny amin'ny lanitra. Izany dia miseho amin'ny alina maizina tsy misy volana. Satria tsy hita ny kintana amin'ny alina diavolana, Satria voasaron'ny hazavan'ny volana, ary tsy misy rahona; Satria ny fisian'ny rahona manakana ny Olona tsy hahita ny kintana, Ary ny Zinga ao amin'ny Paradisa, izay misotro amin'ny zava-pisotro misy ao dia tsy hangetaheta mandrakizay, ary izany no farany amin'ny hetaheta izay iainan'ny mpisotro. Ary ny dobony dia misy sakeli-drano roa avy any an-danitra mikoriana ao anatiny, ary mitovy amin'ny lavany ny sakany. Mitovy zoro ny dobo, ny halavany dia mitovy amin'ny elanelan'i Amman, izay tanàna ao Balqua ao SHAMI, mankany Ayla, izay tanàna malaza eo amoron'ny SHAMI. Ny rano ao anaty dobo dia fotsy noho ny ronono, ary ny tsirony dia mamy mihoatra noho ny tantely.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Bosnia Sinhala India Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia Malayalamia Teljo saohilia Birmana Tailandia Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Azerianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fanamafisana fisian'ny dobo sy ny karazana fahasambarana ao anatiny.
  2. Halebeazan'ny dobo sy ny halavany ary ny sakany sy habetsahan'ireo Zingany.