+ -

عَنْ مَحْمُودِ بْنِ لَبِيدٍ رضي الله عنه أَنَّ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«إِنَّ أَخْوَفَ مَا أَخَافُ عَلَيْكُمُ الشِّرْكُ الْأَصْغَرُ» قَالُوا: وَمَا الشِّرْكُ الْأَصْغَرُ يَا رَسُولَ اللهِ؟ قَالَ: «الرِّيَاءُ، يَقُولُ اللهُ عز وجل لَهُمْ يَوْمَ الْقِيَامَةِ إِذَا جُزِيَ النَّاسُ بِأَعْمَالِهِمْ: اذْهَبُوا إِلَى الَّذِينَ كُنْتُمْ تُرَاؤُونَ فِي الدُّنْيَا، فَانْظُرُوا هَلْ تَجِدُونَ عِنْدَهُمْ جَزَاءً؟».

[حسن] - [رواه أحمد] - [مسند أحمد: 23630]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Mahmod Bin Labid (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Tena marina fa ny zavatra tena atahorako aminareo dia ny fanompoan-tsampy kely.” Hoy ireo mpanara-diany hoe : “Inona no atao hoe fanompoan-tsampy kely ry irak’I Allah? Hoy izy : “Ny fireharehana, Hiteny amin'izy ireo I Allah amin'ny andro farany izay hahazoan’ny olona valisoa noho ny asany : Mandehana any amin’izay nisehosehoanareo teto an-tany ianareo, ary jereo raha mahita valin’asa avy amin’izy ireo ianareo?".

[Tsara] - [Notantarain'i Ahmad]

Ny fanazavana

Milaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny zavatra atahorany indrindra amin'ny vahoakany dia ny fanompoan-tsampy kely, izany dia ny: fisehosehoana; manao asa noho ny olona (mba ho hitan'ny olona). Avy eo izy dia nilaza momba ny famaizana ho an'ireo mpisehoseho amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty, fa ho lazaina amin’izy ireo hoe : Mandehana any amin’ireo nisehosehoanareo, ary jereo raha manana fahefana hamaly soa anareo sy hanome valisoa ho anareo amin’izany asa izany izy ireo?

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Voadidy ny manokana ny asa fanompoana ho an'I Allah irery, ary ny fitandremana amin'ny fisehosehoana.
  2. Ny fangoraham-po betsakan'i Mpaminany (S.A.W) amin'ny vahoakany sy ny ezakany mafy hitarika sy hanoro hevitra azy ireo.
  3. Raha izany no fatahoran'ny Mpaminany (S.A.W) rehefa niresaka tamin’ireo mpanara-diany, izy ireo anefa no lehiben'ny olo-mendrika, dia vao mainka lehibe kokoa noho izany ny tahotrany ho an'ireo mpandimby azy ireo aty aoriana.