عن أنس بن مالك رضي الله عنه قال:
كَانَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ أَحْسَنَ النَّاسِ خُلُقًا.

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 2310]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Anas Ibn Malik (R.A) niteny :
i Mpaminany (S,W,A) no olona tsara toetra indrindra.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Moslim - 2310]

Ny fanazavana

i Mpaminany (S.A.W) no tonga lafatra indrindra amin'ny olona rehetra, ​​ary izy no voalohany tamin'ny fitondran-tena sy ny hatsaran-toetra rehetra, tamin'ny fanomezna ny teny mamy, ny fanaovana ny tsara, ny famirapiratana amin'ny tarehy, ny fandrarana ny ratsy ary ny fandeferana amin'ny hafa.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

  1. Fahafenoan'ny toetran'ny Mpaminany (S.A.W).
  2. i Mpaminany (S.A.W) no modely tonga lafatra amin'ny fitondran-tena tsara.
  3. Famporisihana amin'ny fankana tahaka ny Mpaminany (S.A.W) amin'ireo hatsaran-toetra misy aminy.
Fanehoana ny dikan-teny
Ny Fiteny: الإنجليزية الأوردية الإسبانية Ny Fanampiny (64)