+ -

قال سعد بن هشام بن عامر -عندما دخل على عائشة رضي الله عنها-:
يَا أُمَّ الْمُؤْمِنِينَ، أَنْبِئِينِي عَنْ خُلُقِ رَسُولِ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، قَالَتْ: أَلَسْتَ تَقْرَأُ الْقُرْآنَ؟ قُلْتُ: بَلَى، قَالَتْ: فَإِنَّ خُلُقَ نَبِيِّ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ كَانَ الْقُرْآنَ.

[صحيح] - [رواه مسلم في جملة حديثٍ طويلٍ] - [صحيح مسلم: 746]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Saad Ibn Hisham Ibn Aamir - rehefa niditra tao amin'i Aicha (R.A) :
O! Ry Renin'ny mpino rehetra, ambarao ahy ny toetran'ny Mpaminany (S.A.W), dia namaly izy hoe : Moa ve tsy mpamaky Koroany ianao? Niteny aho hoe : Eny, Dia niteny izy hoe : fa ny toetran'ny Mpaminany (S.A.W) dia ny Koroany.

[Mari-pototra] - [Notantarain'ny moslim tao anaty hadith lava] - [Sahìh Moslim - 746]

Ny fanazavana

Nanontaniana renin'ny mpino A'isha (R.A) momba ny toetran'ny Mpaminany (S.A.W), ka namaly izy tamin'ny valinteny feno, ary namaly ilay mpanontany amin'ny Kor'any masina izay mamehy ny fahatsaran-toetra rehetra, niteny izy hoe : Ny toetrany dia ny Koroany masina, izay didy rehetra ao aminy dia notanterainy avokoa, ary izay rehetra noraran'ny Koroany dia nisitahany avokoa, ka ny toetrany dia ny fampiharana izany, ary mijoro amin'ny fetrany, ary mampihatra ny fahalalam-pomba rehetra ao anatiny izy, ary maka lesona ihany koa amin'ireo ohatra sy ny tantara voarakitra ao.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Mamporisika amin'ny fakàna tahaka ami'ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny fampiharany ireo toetra rehetra ao amin'ny Boky masina Koroany.
  2. Fidokadokana ireo toetran'ny Mpaminany (S.A.W) ary izany tokoa dia niainga avy amin'ny faminaniana nisy teo aminy.
  3. Ny boky masina Koroany dia loharanon'ny hatsaran-toetra rehetra.
  4. Ny fitondran-tena ao amin'ny finoana Islam dia ahitana ny fivavahana manontolo amin'ny fanarahana ny baiko sy ny fialana amin'ny fandrarana.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina الموري Kanadianina الولوف البلغارية Azerianina Okranianina الجورجية المقدونية
Fanehona ny dikanteny