+ -

عن أبي هريرة رضي الله عنه عن النبي صلى الله عليه وسلم:
«اللهم لا تجعل قبري وثنًا، لعن الله قومًا اتخذوا قبور أنبيائهم مساجد».

[صحيح] - [رواه أحمد] - [مسند أحمد: 7358]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.a), Niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe :
“ Tompo Allah ô, Aza atao toy ny sampy ny fasako; ka dia hozonin’i Tompo Allah anie ireo Olona izay naka ny fasan’ny Mpaminaniny ho toeram-pivavahana ".

[Mari-pototra] - [Notantarain'i Ahmad]

Ny fanazavana

Nangataka tamin'ny Tompony i Mpaminany (saw)mba tsy hanao ny fasany ho toy ny sampy ivavahan’ny Olona noho ny fanajana Azy sy ny fandraisana izany amin’ny fiankohofana. َAry nabaran'ny Mpaminany (saw) fa izay nakalavirin'i Tompo Allah sy navokany teo ambany famindram-pony izay Olona nadray ny fasan'ireo Mpaminany ho fivavahana. Satria ny fandraisana azy ireo ho tranom_pivavahana dia antony iray manosika Anao hivavaka Aminy sy hino ary hientehitra amin'izany.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Azerianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fihoaram-pefy amin'ny ara-dalàna eo amin’ny fasan’ny Mpaminany sy ny Olo-marina no mahatonga azy ireo hivavahana fa tsy i Tompo Allah, ka tokony hitandrina amin’ny fomba mitondra amin'ny fanompoan-tsampy ny tsirairay .
  2. Tsy azo atao ny mandeha any am-pasana mba hanomezam-boninahitra azy ireo sy hivavaka any, na dia akaiky an’Andriamanitra Tsitoha aza ny tompony.
  3. Fandrarana ny fanorenana ny tranom_pivavahana any am-pasana.
  4. Fandrarana ny fanaovana fanompom-pivavahana eny amin’ny fasana na dia tsy nanamboarana Mosquee aza izany, afa-tsy ny Soalat AL-JANAZA ho an'ireo izay mbola tsy nanaovana ny fanompoam_pivavahana.