+ -

عَنْ عَائِشَةَ أُمِّ المؤمنين رضي الله عنها:
أَنَّ أُمَّ سَلَمَةَ ذَكَرَتْ لِرَسُولِ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ كَنِيسَةً رَأَتْهَا بِأَرْضِ الْحَبَشَةِ، يُقَالُ لَهَا مَارِيَةُ، فَذَكَرَتْ لَهُ مَا رَأَتْ فِيهَا مِنَ الصُّوَرِ، فَقَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «أُولَئِكَ قَوْمٌ إِذَا مَاتَ فِيهِمُ الْعَبْدُ الصَّالِحُ، أَوِ الرَّجُلُ الصَّالِحُ، بَنَوْا عَلَى قَبْرِهِ مَسْجِدًا، وَصَوَّرُوا فِيهِ تِلْكَ الصُّوَرَ، أُولَئِكَ شِرَارُ الْخَلْقِ عِنْدَ اللهِ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 434]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ireo mpino (R.A) niteny :
Nitantara tamin'ny irak'Allah i Ommo Salama momba ny fiangonana hitany tany amin'ny tanin'i Abyssinia, antsoina hoe Maria, ka nolazainy taminy ny zavatra hitany tao momba ny sary vongana. Dia niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ireo dia olona izay, rehefa maty eo amin’izy ireo ny mpanompo mendrika na olo-marina, dia anorenan'izy ireo moske eo ambonin’ny fasany, ary anamboaran'izy ireo sary eo aminy, ireo no zavaboary ratsy indrindra eo imason’I Allah”.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Nitantara tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ny Renin'ny mpino Ommou Salama (R.A) fa tamin'izy tany amin'ny tanin'i Abyssinia, dia nahita fiangonana iray - antsoina hoe Maria - nisy sary sy haingo ary sary vongana, noho ny fahagagany amin'izany izy! Nanazava ny antony nametrahana ireo sary ireo ny Mpaminany (S.A.W); Ka niteny izy : Ireo olona lazainao ireo dia raha misy olona iray mendrika maty eo amin'izy ireo, dia hanorenan'izy ireo moske eo ambonin'ny fasany, hivavahana ary hanamboaran'izy ireny sary ireny. Nohazavainy fa izay manao izany dia zavaboary ratsy indrindra eo imason’I Allah ilay Tsitoha. Satria ny fihetsika izany dia mitarika ho amin’ny fanompoan-tsampy.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fandrarana ny fananganana moske eo ambonin'ny fasana, na ny fivavahana eo aminy, na ny fandevenana ny maty ao amin'ny moske; mba tsy hahatongavana amin'ny fanompoan-tsampy.
  2. Ny fananganana moske eo ambonin'ny fasana sy ny fametrahana sary ao anatiny dia asan'ny Jiosy sy ny Kristianina, ary izay manao izany dia mitovy amin'izy ireo.
  3. Fandrarana ny fanaovana sary ireo zava-mananaina.
  4. Na iza na iza manorina moske eo ambonin’ny fasana sy mametraka sary ao anatiny, dia tafiditra ho isan’ny zavaboarin’I Allah ratsy indrindra.
  5. Ny lalàna silamika dia miaro tanteraka ny làlana mankany amin'ny fanokanana an'I Allah, amin'ny fanakanana ny fomba rehetra mety hitarika ho amin'ny fanompoan-tsampy.
  6. Mandrara ny fihoaram-pefy amin'ireo olona mendrika; Satria izany no antony mety hampienjera any amin'ny fanompoan-tsampy.