عن ابنِ عَبَّاسٍ رضي الله عنهما عن النبيِّ صلى الله عليه وسلم قال:
«أُمِرْتُ أَنْ أَسْجُدَ عَلَى سَبْعَةِ أَعْظُمٍ: عَلَى الْجَبْهَةِ وَأَشَارَ بِيَدِهِ عَلَى أَنْفِهِ، وَالْيَدَيْنِ، وَالرُّكْبَتَيْنِ، وَأَطْرَافِ الْقَدَمَيْنِ، وَلَا نَكْفِتَ الثِّيَابَ وَالشَّعَرَ».
المزيد
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Nodidiana aho hiankohoka amin’ny taolana fito: Eo amin’ny handrina, ary nanondro teo amin’ny orony ny tànany, eo amin'ny tànany roa, sy ny lohaliny roa, sy ny tendron-tongotra roa, ary tsy aholona (apiakarina) ny akanjo sy ny volo".