عن حُذَيْفَةَ رضي الله عنه:
أَنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ كَانَ يَقُولُ بَيْنَ السَّجْدَتَيْنِ: «رَبِّ اغْفِرْ لِي، رَبِّ اغْفِرْ لِي».

[صحيح] - [رواه أبو داود والنسائي وابن ماجه وأحمد] - [سنن ابن ماجه: 897]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Hozaifa (R.A) :
Ny Mpaminany (S.A.W) dia niteny teo anelanelan'ny fiankohofana roa : "Rabbighfirli Rabbighfirli - Tompoko ô!, Mamelà ahy, Tompoko ô!, Mamelà ahy."

[Mari-pototra] - [Notantarain'i Abo Daòd, Al-Nasàì, Ibn Màjah, ary Ahmad] - [Sonan Ibn Màjah - 897]

Ny fanazavana

Ny Mpaminany (S.A.W) dia niteny teo anelanelan'ny fiankohofana roa : "Rabbighfirli Rabbighfirli - Tompoko ô!, Mamelà ahy, Tompoko ô!, Mamelà ahy." Ary naverimberiny izany.
Ny dikan’ny hoe “Rabbighfirli" -Tompo ô! Mamelà ahy- dia ny fangatahan'ny mpanompo iray amin'ny Tompony mba hamela sy hanafina ny heloka vitany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny maha-ara-dalàna an'io Doan eo anelanelan'ny fiankohofana roa amin'ny soalat tsy maintsy atao sy ny an-tsitrapo.
  2. Tsara ny mamerina ilay teny hoe : Tompo ô! Mamelà ahy, ary tsy maintsy miteny izany indray mandeha farafahakeliny.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (58)